Ny asan'Andriamanitra izay efa nomaniny mialoha dia tanteraka amin'ny fitiavana mifamaly. "Samia ihany mandeha araka ny anjara nomen'ny Tompo azy avy, sy araka ny niantson'Andriamanitra azy avy" (Kor 7, 17). Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alatsinainy 31 janoary 2022 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 1-20

Maro ireo voaantso hanorina sy hiaina fiainam-pianakaviana. Ny fiombonan'ny mpivady dia efa asan'Andriamanitra sahady : "aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona" (Mt 19,6). Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alahady 30 janoary 2022 — Alahady fahefatra mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 21-30

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...