Mitombo ny vita batemy noho izany ilaina hatrany ny fitombon'ny isan'ny pretra. Miankina amin'ny tombana ataon'ny mpanabe rehefa vita ny adina samihafa, misy fandanjalanjana mifandraika amin'ireo fepetra takiana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny pretra dia olom-boahosotra mba hanamasina ny vahoakan'Andriamanitra. Izay manokan-tena dia mamela ny fiainan'izao tontolo izao. Ny fanokanan-tena dia fanandratan'Andriamanitra ilay voafidy. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Misy hatrany sakana manodidina ny antso. Misy mandrakariva ny fakam-panahy, fivadiham-pitokisana. Raha lasa fahazarana ny fahotana dia miverina tsy ho fahotana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Misy fomba iainana ny antso : ny fitondran-tena mendrika, mikely aina amin'ny fampifanarahana ny toetra antsika sy ny fiantsoana antsika. Raha tsy tanteraka io dia miteraka korontana ho an'ny fiaraha-monina ihany koa. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco