Andriamatoa isany Valison Andrianjafisoa, Jean Claude Andrianaivo, Harilanto Ranaivomanantsoa. Famoahana ny mpiofana andiany voalohany (1996)
 
Stop Slideshow
Start Slideshow
Refresh
Close Window

[Miara-dalana] Zoma 12 aogositra 2022

♦ Nandefa taratasy fankasitrahana ho an'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Homarihana amin'ny 15 aogositra 2022 ny ivon'ny fankalazana ny faha-5 taonan'ny Diôsezin'i Maintirano... ♦ Nankahery ireo misiônera avy ao amin'ny Fiangonana ao Río Cuarto, Argenetine, ho any amin'ny Diôsezin'i Orán, ny Papa François...

Tohiny...

Fitiavana sy famonjena

Hafaliana lehibe ny Noely satria ny fitiavan'Andriamanitra no tonga amintsika, hoy i P. Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, tamin'ny firarian-tsoan'ny Noely 2021. Tonga ny famonjena izay midika tsy faharahavan'ny fiainana. Io fitiavana sy famonjena io no irariana hanjaka ao amin'ny fiainantsika, ka hifanampy mba hiainan'ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.

Tohiny...

Am-pitiavana ny zavatra rehetra

Natolotr'i P. Angèl Artime Fernandez, Lehiben'ny Fikambanana salezianina maneran-tany, amin'ity horonan-tsary ity ny teny fanentanana ho an'ny taona 2022, nampitondrainy ny lohateny hoe : "Ataovy am-pitiavana ny zavatra rehetra, ialao ny an-tery". Hevi-dehibe, izay ifandraisan'i Masindahy François de Sales sy i Don Bosco no hazavainy amin'izany : ialao ny an-tery, Andriamanitra ao amin'ny fon'olombelona, ny fiainana ao amin'Andriamanitra, ny halemem-panahy sy toetra maha-te ho tia eo amin'ny fifandraisna, ny Fitiavana tsy misy fepetra sy tsy misy fetra, ny maha zava-dehibe ny fitantanana am-panahy, am-pitiavana ny zavatra rehetra.

Tohiny...