♦ Nandiso ny vaovao nivoaka tamin'ny RFI ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola androany, momba ilay raharaha volamena 73,5kg. Tsy marina, hoy izy, ny fanakanako ny fitohizan'ny fanadihadiana... ♦ Hisitraka vola 50 tapitrisa dolara i Madagasikara, ao anatin'ny 5 taona, hivarotany "entona carbone", izay hotrohan'ny atiala atsinanana. Vita sonia androany ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany...
♦ Mitady vahaolana amin'ny tsy fahampiandrano eto Madagasikara ny Ministera tompon'andraikitra, maro ireo foto-drafitrasa natao. Ny Jirama dia isan'ireo tompon'antoka amin'ny fanantanterahana ireo fanapaha-kevitra. ♦ Ny sahona mantella betsileo : mainty sy mena ny lamosiny, misy fotsy ny vavany, fotsy pentina mena ny tongony sy ny tanany. ♦ voka-pikarohana UNEM : Hampihena ny vola lany amin'ny angovo fandrehitra ho 50%, ary hanodina ny fako hampadio ny tanàna...
Ilaina ny mpanabe mba ampafantatra ny zavatra tsara sy ny ratsy tsy tokony hatao. (03-02-2021)
Alarobia 3 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco