Miroso tsikelikely ny fahafantaran'ny olona iray ny tenany ; dieny mbola kely dia atao fantany na lahy izy na vavy ; ary ampifanarahana amin'izany ny fanabeazana azy sy ny fitondràna azy ao an-tokantrano. Adidy mavesatra ho an'ny ray aman-dreny ny firesahana izany satria hevirin'izy ireo ho zava-pady na mahamenatra ny firesahana ny maha lahy na maha vavy ny olona iray. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Manana telo andro handinihana ny antontan-taratasy momba ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny OVEC tsirairay avy manerana ny nosy... ♦ Nisafidy ny tsy ho kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny Depioten'Isandra, Voahanginirina Marie Laurette... ♦ Niverina an-tsekoly nanomboka androany ny mpianatra amin'ny sekoly tsy miankina, hiatrika ny telovolana farany amin'ny taom-pianarana...
Mpìrahalahy samy mìaramila mpanao "vy very ny ainy" i Maharo sy i Harivelo. Nisy ady an-trano tany Mali, ka nalefa hanatevina ny miaramila misatro-mangan'ny Firenena Mikambana tany any izy roalahy. Nisy nanafika anefa ny toby nambenan-dry zareo ka maty voatifitra i Maharo. Nalahelo sy very hevitra i Harivelo sady tsy foiny ny zandriny, hany ka niantso ny fanahin'i Asmodée (demony) izy mba hiditra ao amin'i Maharo ka hamelona azy indray.
♦ Nangatahana omaly araka ny fomban'ny Fiangonana, tao amin'ny Diôsezin'i Toliara, i Mgr Razafinirina Jean Désiré, Eveka vaovao ho an'ny Diôsezin'i Morombe... ♦ Tanterahana ao anatin'ny iray volana ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ny “Chapitre Général” ho an'ny Fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette... ♦ Nifarana omaly alahady ny Filankevitra Diôsezanina 2024 an'ny Vaomiera FIFAKRI, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco