Aretina mpahazo ny maso-koditra ny mony, mahakasika ny taona rehetra indrindra ny tanora sy ny lehibe. Ao anatin'ny hoditra dia misy "follicule pileux" sy ny "glande sébacée" mamokatra iray tsiranoka atao hoe "sébum" izay manamandina ny hoditra sy ny volo. Raha tsentsina ny maso-koditra noho ny antony maro samihafa dia miteraka mony, fa mety hisy koa vokatry ny otrik'aretina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.