Ny sakafo hoanina ao anatin'ny iray andro dia tokony hisy ireto filàna fito ireto, sakafo ahitàna : hery fiasana (glucide), hery fanorenana (protide), misy menaka (lipide), singa manamora ny fandevonana sakafo (fibre), sakafo ahitana sira mineraly isan-karazany, sakafo ahitàna vitamina, sakafo ahitàna rano. Ny fatra ilain'ny vatan'ny olona amin'ireo sakafo voalaza ireo dia tsy mitovy ho an'ny olona tsirairay... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.