Ny aretina pesta dia efa nisy teto ambonin'ny tany 20 000 taona lasa izay, fa tamin'ny taona 1894 kosa vao fantatra mazava tamin'ny alalan'ny fikarohana nataon'i Dr Alexandre Yersin. Tamin'ny taona 1898 no tafiditra teto Madagasikara ny peste noho ny fidiran'ny olona nararin'ny pesta avy any ivelany tamin'ny alalan'ny sambo...

Ny vanim-potoana mampirongatra ny pesta dia ny volana Oktobra hatramin'ny Avrily. Ny Pesta dia mifindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny parasy, piti-drora, fifampikasoana. Misy karazany telo ny pesta : pesta atoditarimo, pesta aretintratra, pesta septisemika. Ny fambara mety hiseho : misy atoditarimo, fanaviana, tsemboka, reraka, fahavakisan'ny atoditarimo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...