Fanamby lehibe ho an'i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-bary. Manao ny ezaka rehetra ahatratrarana ny tanjona ny governemanta ankehitriny ary mba ahafahan'ny tantsaha misitraka ihany koa ny fahafahana rehetra ahafahany mamokatra araka ny nambaran'ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Ranarivelo Lucien... 

Isan'ny izany ny fampiasam-bola amin'ny fanajariana sy ny fanarenana ireo foto-drafitr'asa momba ny voly vary amin'ireo faritra mpamoka-bary eto amin'ny nosy, ny fanofanana ireo tantsaha amin'ny haitaom-pambolena, ny fanamoràna ny fahazoana famatsiam-bola mba ahafahan'ny mpamokatra manitatra ny sehatr'asany.

Nanana tombon-dahany tamin'ny tahan'ny vokatra niakatra, tsy nanan'ireo firenena afrikana mamboly vary i Madagasikara tamin'ny taona 1960. Nanodidina ny 2 taonina isany hektara izany. Taham-bokatra ambony indrindra tamin'izany fotoana izany raha oharina amin'ireo firenena afrikàna noho ny fampiasan'ny tantsaha ny teknika fototra amin'ny fambolena, ny toetr'andro mety amin'ny fambolem-bary ary teo ihany koa ny kolotsaina niainan'ny malagasy momba ny voly vary. Tsy nihetsika io taham-bokatra io nandritra ny taona maro kanefa tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny mponina isan-taona. Taham-bokatra tsy mihoatra ny 2 taonina isaky ny hektara raha tsy tany amin'ny taona 1990 ary nahatratra ny 3 taonina isaky ny hektara tamin'ny taona 2000 araka ny antontan'isa momba ny salam-bokatra miakatra ho an'i Madagasikara.

Azo atao tsara ny mampitombo ny tahan'ny voka-bary miakatra ho an'i Madagasikara na eo aza ny toe-java-misy ara-boajanahary toa ny fiovan'ny toetr'andro izay mitarika ny fihenan'ny rotsak'orana amin'ny faritra vitsivitsy eto amin'ny nosy. Manana teknika samihafa ary efa vonona ampiasaina isika mba ahafahana miatrika izany. Isan'izany ny masomboly nohatsaraina, ny fampiasàna ny tetiandrom-pambolena, ny fampiasàna ny teknika P-Dipping mba hampitomboana ny vokatra ho an'ny voly vary an'ivon-tany. Ezaka mila hamafisina ny fanentanana ny tantsaha mba ho resy lahatra ary handray anjara amin'ny ezaka atao hanatratrarana ny fanamby lehibe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...