Miaka-bokatra ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert amin'izao volana mey izao, na dia niara-nisedra olana tamin'ny tantsaha rehetra noho ny tsy fisian'ny rano teny an-tanimbary aza izy. "Ketsa saraka" no nampiasaina, izay izy rahateo no nikaroka azy.

Manam-boninahitra ambony, misotro ronono, ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert. Nanana andraikitra ambony tao amin'ny Tafika Malagasy tamin'ny fotoan'androny. Liana tanteraka ihany koa tamin'ny voly vary.

Onaona tany am-piandohana no nofolahany ho lasa tanimbary ka nampiaiky ireo izay rehetra nahita azy ny voka-bariny, eny amin'iny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano iny. Vao mainka valalanina ihany koa ny tantsaha manodidina raha nahita ny voka-bariny tamin'ity taona ity, na teo aza ny olana ara-drano nahazo an'Antananarivo Atsimondrano, Distrika tena mitondra faisana tamin'ny tsy fisian'ny rano nentina nanondrahana ny tanimbary noho ny fahataran'ny rotsak'orana teto Analamanga.

Noporofoin'ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert, fa tsy ny fiovan'ny toetr'andro akory no ho sakana sy olana tsy hamokarana, fa ilaina dia ilaina ny saina tia karokaroka, hamolahana ny haitaom-pamokarana mba ahafahana mahazo vokatra sara. Nampihariny ny fikaroha noketrehiny, dia ny "Ketsa saraka"; Teknika azony an-tsaina noho ny fiarahany niasa tamin'i Mompera Henri Delaulanié, saingy nohatsarainy taty aoriana, ary nampihariny tamin'ny taom-pambolena teo.

Valo taonina isaky ny hekitara farafahakeliny ny voka-barin'ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ity taona ity. Ny volana novambra no nanetsa izy ka ny "Ketsa saraka" no nampiasainy. Notondrahana ny vary voaketsa mandra-pirotsaky ny orana, ka nahakely finoana ireo nitazana ny mety ho fahombiazan'izany. Tsy izany anefa no nitranga ankehitriny, vokatra ny vary. Mitaky fikirizana sy fanokanana fotoana izany hoy ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...