Nahomby ny tetik'asa fiaraha-miasa eo amin'ny Tatsimo samy Tatsimo nampiharina teto Madagasikara nandritra ny 2 taona nanomboka tamin'ny taona 2019. Tetik'asa niarahan'ny Fitondram-panjakàna Malagasy tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono, ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina ary ny FAO na ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena izay nanao ny tantsoroka ara-teknika... 

Isan'ny nisongadina tamin'izany tetik'asa izany ny fambolena ilay karazam-bary voka-pikarohan'ny sinoa dia ny "riz hybride". Nampiharana ny tetik'asa ny teto amin'ny Faritra Analamanga ka isan'ny nisitraka izany tao amin'ny Kaominina ambanivohitra Andranovaky-Mahitsy, manodidina ny 10 taonina isaky ny hektara ny voka-barin'ny tantsaha namboly ny "riz hybride". Nidina nijery ny saham-pambolena nanatrika ny fijinjam-bokatra ny avy ao amin'ny ministeran'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono, ny masoivohan'i Sina ary ny solotenan'ny FAO eto Madagasikara...  

Naharesy lahatra ny tantsaha namboly ilay karazam-bary voka-pikarohan'ny Sinoa na ny "riz hybride" ny vokatra tsara azon'izy ireo. Manodidina ny 10 taonina isaky ny hektara ny voka-bary tamin'ireo saham-pambolena 17 hektara teto amin'ny Faritra Analamanga. Ankoatra ny vokatra azo, manana tombony amin'ny fahafahany manohitra ny hain-tany koa ny 'riz hibride" indrindra fa ny fahataran'ny rotsak'orana izay isan'ny nihatra teto amin'ny Faritra Analamanga kanefa dia tsara ny vokatra hoy Ramatoa Randriamampionona Dina, tantsaha ao Mahitsy ato amin'ny Distrika Ambohidratrimo Faritra Analamanga.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...