Nandefa taratasy fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'i Mgr Tomasz Grysa, Nonce apostolique vao voatendry hiasa eto Madagasikara ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Nambarany fa vonona amin'ny fiaraha-miasa ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.

Bruxellles, 26 septambra 2022

Excellence Monseigneur Tomaz GRYSA

Amin’izao andro ahatsiarovan’ny Eglizy an’i Masindahy Vincent de Paul izao, izy izay mpiaro faharoa an’i Madagasikara, no nandrenesanay ny vaovao mahafaly avy any Rôma amin’ny fanendrena anao ho solon-tena vaovaon’ny Papa Ray Masina eto amin’ny Nosinay.

Amin’ny anaran’ny Eglizy eto Madagasikara, miaraka amin’ireo Eveka rehetra rahalahiko sy ny mpiara-miasa amiko ato anatin’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara no iarahabako anao. Mirary anao hahavita soa sy hamokatra tsara amin’ny asa fanirahana eo anivon’ny Eglizy sy eo amin’ny sehatry ny diplômasia amin’ny maha masoivohon’i Vatikana anao. Miara-misaotra an’Andriamanitra aminao izahay ka mamerina ilay tenin’i Masina Maria hoe "Mankalaza ny Tompo ny Fanahiko".

Excellence, matokia fa handray anao am-panajana sy am-pitiavana amin’ny maha solon-tenan’ny Ray Masina eo anivon’ny Eglizy eto Madagasikara izahay. Manantena ihany koa izahay fa vao mainka hanamafy ny fifandraisana misy eo amin’ny fiketrahana Masina sy ny Eglizy aty amin’ny Nosinay ny fahatongavanao. Vao avy niasa tany Jerosalema ianao, izany hoe avy any amin’ny tanàna sy ny toerana nodiavin’i Jesoa no indro ho tonga aty aminay, koa manantena izahay fa handrehitra afom-pitiavana vaovao ao amin’ny fanirianay te hanara-dia an’i Jesoa eo amin’ny fiainanay andavanandro ny fiarahanao dia aminay.

Miomana amin’ny fitsidihana sy ny fihaonana amin’i Papa François any Rôma ny Evekan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Koa hararaotinay izany hisaorana ny Papa Ray manokana noho izao fanendrena anao izao.

Eo am-pigohana sahady ny hafaliana handray anao tsy ho ela aty Madagasikara, sy eo am-piandrasana ny fotoana hanamasinana anao ho Eveka mialoha an’izany, dia misaotra anao ihany koa amin’ny nanaovanao "ENY" tamin’izao fanendrena izao, raiso Excellence ny haja ambony atolotro anao amin’ny anaran’i Jesoa izay Tompon’ny Eglizy.

Am-pirahalahiana tanteraka ao amin’i Kristy.

Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA
Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...