♦ Hisy fiantraikany amin'i Madagasikara ny fampiharana ny sazy ara-toe-karena amin'i Russie, hoy ny masoivoho Allemand eto amintsika, miantso ny Malagasy izy hiray feo aminy...  ♦ Hanomboka hamokatra herinaratra ny toby vaovao any Farahantsana-Mahitsy amin'izao faran'ny herinandro izao, 20MegaWatt no ho vokariny...   ♦ Tsy hita taratra ny fiodinan'ny orinasa kraomita Malagasy, 5 volana aty aorian'ny fihaonan'ireo mpiasa tamin'ny praiministra, nitaraina azry nanatitra taratasy any aminy...

Tsy fankahalana ny fanambadiana akory no antony tsy hanambadian'ireo relijiozy fa nisafidy bebe kokoa ny hafa rehefa nisafidy ny hanana fo tsy mizarazara ho an'Andriamanitra sy ho fanompoana ny hafa. Fanomezana manokana avy amin'Andriamanitra ny fahadiovana sy ny fiainana azy io, izay azo miaraka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Sabotsy 26 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 13-16

♦ Nanazava ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy any Ukraine ny Masoivohon'i Allemagne miasa eto amintsika. Nambarany fa krizy hisy fiantraikany amin'i Madagasikara ny fampiharana sazy ara-toe-karena amin'i Rosia... ♦ Hamokatra herinaratra manomboka amin'ny faran'ny herinandro izao ilay toby famokarana any Farahantsana, Mahitsy. Hamoaka vaikan'aratra 20 Mégawatts ity toby ity amin'izao voalohany izao... ♦ Tany 2800 hekitara no lasan'ny orinasa iray, tamin'ny fomba tsy mazava, any amin'ny Distrikan'i Mampikony sy Port-Bergé...

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...