♦ Mananontanina ny morontsiraka atsinanan'ny nosy indray ilay rivodoza Emnati atsy amin'ny ranomasimbe Indiana. Efa ao anatin'ny loza fanairana "loko maintso" ny Faritra Analanjirofo,Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo-atsinanana... ♦ Tafiakatra 14 isa ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Dumako, 10 000 no traboina... ♦ Takian'ny SMM ny hanokafana ny fanadihadiana momba ny raharaha Imibiki Hery Laza, ministra teo aloha...

Mampianatra sy manamarina ary manamasina ny olon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sakramenta ny Pretra. Ny pretra koa dia mitarika ny olon’Andriamanitra, mandray anjara amin’ny asa mpiandry ondry. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

♦ Ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Toamasina sy i Vohipeno, amin'ny talata 22 febroary izao ny rivodoza mahery vaika Emnati... ♦ Hivoaka anio kosa ny fehin-kevitra tinapaky ny Vondrona Eoraopeanina sy ny Vondrona Afrikanina, mikasika ny vinam-piaraha-miasan'ny vondrona roa tonta, Taona 2030... ♦ Aleo hisokatra ny fanadihadiana momba ny raharaha hanenjehana ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha, Imbiki Herilaza, ka tokony ho rafi-panjakana mahefa no hanao izany, raha ny fanehoan-kevitry ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara...

Loza ho an'ny soatoavina moraly maha-olona ny fampitsaharana vohoka. Ny kalitaon'ny aina dia tsy manan-danja mihoatra ny hasin'ny aina maha-olona.Tsy mampihena ny hasina maha-olona ny fiiban'ny kalitaon'ny aina. Noho izany, ny fahasembanana ny zaza ao am-bohoka dia tsy afaka manamarina velively ny fandatsahana ny ainy. Fandaharana momba ny hasin'ny aina iarahana amin'i P. Nicholson Avotriniaina, Doctorant en théologie morale, Université Pontificale Urbaniana

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...