Alahady 23 mey 2021 — Ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy i Masina Maria — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26-27 ; 16, 12-15
Ny voavary dia aretina azo avy amin'ny fipetrahan'ny atodin'ny kankam-pisaka ao anatin'ny tenan'ny olombelona. Misy karazana roa ny kankam-pisaka dia ny avy amin'ny kisoa antsoina hoe "Taenia solium", ary ny avy amin'ny omby "Taenia saginata" ; ka ny kankam-pisaka avy amin'ny kisoa no mahatonga ny voavary...
Sabotsy 22 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 20-25
♦ Namoaka hafatra, tao aorian'ny fivoriambe ara-potoana voalohany tamin'ity taona ity ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Manova ny fomba fiaina sy ny fifandraisan'ny zanak'olombelona ny valan'aretina misy ankehitriny, hoy ireo Eveka... ♦ Manao antso avo amin'ny sehatra isan-tsokajiny ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, mba ho sahy hijoro manoloana ny zava-misy ankehitriny. Nambarany fa voatohintohina tanteraka ny fahafahana maneho hevitra vokatry ny sakatsakana sy ny ramatahora, eto amin'ny firenena...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco