Tamin’izany andro izany, dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, ka nilaza taminy hoe: "Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy aiza ny batemin’i Joany, avy any an-danitra sa avy amin’ny olona? Valio Aho." Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe: "Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo? Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany." Dia izao no navaliny an’i Jesoa: "Tsy fantatray." Ary hoy kosa i Jesoa: "Izaho koa, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao."

♦ Nolaniana nandritra ny filan-kevitry ny ministra notanterahina omaly ny volavolan-dalàna manova ny andininy vitsivitsy ao amin'ny lalàna momba ny fidiram-bola ho an'ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana... ♦ Hitondra ainga vao amin'ny fampianarana ho an'ny oniversite-panjakàna eto Madagasikara ny fahalanian'ny volavolan-dalàna miisa roa, eny amin'ny Senat... ♦ Nasehon'ny Zandary ireo olona miisa 16 mianadahy, nosamborina taorian'ny nahatrarana an'i Del kely...

♦ Mbola manjavozavo ny ho fizotry ny fifidianana kaominaly ho an'ireo Kaominina mbola tsy nahavita izany. Mbola misy 20 ny olana ara-pifidianana Kaominaly hokirakirain'ny filankevi-panjakàna... ♦ Manohitra ny fametrahana Ben'ny Tanàna vaovao ny vahoaka ao amin'ny Kaominina ambonivohitr i Tsihombe... ♦ Manohitra ny fameran'ny fanjakàna ny vidin'ny lavanila ny mpandraharaha misehatra amin'izany... 

Alakamisy 20 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 20-26

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...