Notendren'ny Papa François androany faha 27 septambra 2022, ho Nonce apostolique eto Madagasikara i Mgr TOMASZ GRYSA.

Teraka tao Poznan - Pologne, tamin'ny 16 oktobra 1970 i Mgr Tomasz, ary nohamsinina ho pretra tao Poznan ihany ny 25 mey 1995. Nanomboka niasa tao amin'ny sampan-draharaha misahana ny fifandraisana diplômatika ao amin'ny Fiketrahana Masina izy ny 1 jolay 2001, rehefa nahazo ny mari-pahaizana momba ny Lalàn'ny Fiangonana ; ary voatendry niasa tany amin'ny Nonciature apostolique tao Rosia.

Voatendry ho Secrétaire de 2e Classe izy ny 1 jolay 2002 ka nalefa niasa tany amin'ny Nonciature apostolique tany Inde ny 1 septambra 2003. Nahazo ny fanendrena maha-secrétaire de 1re Classe izy ny 1 jolay 2006 ary nirahana niasa tany amin'ny Nonciature apostolique tany Belgique ny 27 marsa 2008.

Voatendry ho Conseiller de 2e Classe izy ny 1 jolay 2010 ary nalefa niasa tany amin'ny Nonciature apostolique tany Mexique ny 1 jolay 2011, ary nifindra tany Bresil ny 1 jolay 2013.

Voatendry ho Conseiller de 1re Classe izy ny 1 jolay 2014 ka nalefa ho iraka maharitra tao amin'ny Firenena Mikambana, tany New York ny 1 jolay 2016.

Voatendry hiasa tany amin'ny Nonciature apostolique tany Israël sy tao amin'ny Délégation apostolique tao Jerosalema sy Palestine izy ny 1 jolay 2019 hatramin'izao nanendrena azy ho Nonce apostolique aty Madagasikara izao.

Mahay miteny frantsay, anglisy, italiana, portugais, russe ary espaniola i Mgr Tomasz Grysa.

Araka ny fampahafantarana nomen'ny Nonciature apostolique eto Madagasikara dia ho lazaina amin'ny manaraka ny daty hanamasinana ho Eveka an'i Mgr Tomasz Grysa sy ny hahatongavany eto Madagasikara.

Mankasitraka ny Ray Masina i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, amin'izao fanendrena izao ary manentana ny rehetra hitondra am-bavaka ity solotenan'ny Fiketrahana Masina vao voatendry hiasa eto Madagasikara ity, mba hitondra harem-panahy avy any Jerosalema izay toerana niainan'i Jesoa.

Manoloana izao fanendrena an'i Mgr Tomasz Grysa, ho Nonce Apostolique eto Madagasikara izao dia nitondra ny teny fiarahabana sy fandraisana azy ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, tamin'ny alalan'ny sekretera mpandrindra eo anivon'ny Fivondronamben'ny eveka, Mompera Séraphin Rafanomezantsoa. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...