Manohana hatrany ireo rehetra miasa amin’ny sehatry ny ranomasina i Papa François.

Navoitrany tamin’ny hafatra an-tsary nalefany ho azy ireo ny maha-zavadehibe ny asa an-dranomasina sy ny mpanjono noho izy ireo mamatsy ara-tsakafo sy mitondra vokatra hafa ilaina amin’ny fiainana andavanandron’ny olombelona. Hafatra mifono fankaherezana, indrindra amin’izao fotoana hanjakan’ny covid-19 izao. Miantrana am-bava loza ireo mpisehatra amin’ny tontolo an-dranomasina ireo, hoy Papa François, ary enta-mavesatra ho azy ireo ny tsy maintsy hanalavirany ny fianakaviany sy ny tany niaviany ary ny tahotra amin’ny mety hifindran’ny tsimokaretina amin'izao fisian'ny valanaretina izao. Mitondra am-bavaka anareo hatrany aho, hoy iny Papa, nampahatsiahy fa mpanjono avokoa ny mpianatr’i Jesoa. Tsy adinony koa ny nanankina ireo mpiantsehatra amin'ny tontolon'ny ranomasina ireo amin'i Masina Maria Kintan'ny Ranomasina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...