Vahinin'i Papa François tao VAtican, omaly alatsinainy, ny praiminisitra slovaque Peter Pellegrini. Isan'ny nivoitra tamin'io fihaonana io ny fanasan'andriamatoa Pellegrini an'i Papa hivahiny any Slovaquie.

Fanirian'ny vahoaka Slovaque, hoy ity praiminisitra ity, ny mba hamangian'i Papa azy ireo. Voafaritra ho fahefatr'adiny ihany moa io fihaonana teo amin'ny roa tonta io teny am-piandohana saingy niitatra ho 40 minitra izany avy eo. Isan'ny voaresaka nandritra izany ny momba ny toe-draharaha any Eraopa ankehitriny, indrindra ny ao UKraine izay anton'ilay fihaonana an-tampony eo amin'ny filoha rosiana sy iokreniana, miaraka amin'ny filoha frantsay sy ny chancelière allemande, notanterahina tany Paris renivohitra frantstay, omaly alatsinainy. Fihaonana izay nangatahan'i Papa François vavaka nandritra ny Angélus tamin'ny alahady 8 desambra teo. Voaresaka tamin'io fihaonana teo amin'i Papa sy ny praiminisittra slovaque io koa ny sehatry ny fanabeazana, ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fifindramonina. Nofaranana tamin'ny fifanolorana fanomezana ho fahatsiarovana io fihaonana teo amin'ny roa tonta io. Taorian'izay moa dia mbola nihaona tamin'i Kardinaly Pietro Parolin, sekreteram-panjakana ao VAtican sy Monseigneur Paul Gallagher, sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa andriamatoa Peter Pellegrini.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...