Ny 06 janoary no ankalazaina ny fisehoan'i Jesoa Zanak'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao, Ilay Mesia, Teny tonga nofo eo amin'izao tontolo izao novangian'ireo Majy antsoina koa hoe Epifania. Marihana fa noho ity daty ity andro fiasana no mahatonga ny firenena sasany hankalaza azy ny alahady faharoa aorian'ny Noely.

I Masindahy Édouard no tsaroana isaky ny 05 janoary. Teraka teo anelanelan'ny taona 1002 sy 1004 i Édouard. Ny taona 1003, rehefa nanafika an'i Angleterre ny Danois dia nentin'i Emma reniny nandositra i Édouard sy i Alfred rahalahiny, nialokaloka tany amin'i Richard II tao Normandie. Ny taona 1041 dia niverina tany Angleterre izy.

I Masindahy Odilon no tsaroana ny 04 janoary. Teraka ny taona 962 tao Saint-Cirgues (Haute-Loire) i Odilon. Tompomenakely tao Mercœur ao Auvergne ny fianakaviany ary nanana tany nanelanelana an'i Brioude sy Langeac. Nanomboka ny fiofanana ho Chanoine tao amin'ny fiangonan'i Masindahy Julien tao Brioude izy.

I Masimbavy Geneviève no ankalazaina ny 03 janoary. Teraka ny taona 423 tao Nanterre i Masimbavy Geneviève. Mbola zaza izy dia efa nanolo-tena tamin'Andriamanitra.

Hatramin'ny fanovana nataon'ny Papa Paul VI, dia ankalazaina miaraka ny fetin'i Masindahy Basile sy i Grégoire de Naziance. Samy teraka tany Cappadoce nanodidina ny taona 330 izy mirahalahy ireto. I Basile avy any Césarée fa i Grégoire kosa avy any Nazianze. Samy nipoitra avy amina fianakaviana tena kristianina izy ireo.

Arahabaina isika mianakavy nahatratra izao taona vaovao izao. Enga anie ity taona ity hitondra hafaliana sy fiadanam-po ary indrindra mba hampanjakantsika mianakavy ny rariny sy histiny eo amin'ny fiaraha-monina. Fa ankalazaina amin'izao fiandohan'ny taona izao i Masina Maria Renin'Andriamanitra. Arahabaina manokana ireo arovan'izany Renin'Andriamanitra izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...