16 mey — I Masindahy Luigi Orione dia teraka tamin'ny 23 jona 1872 tao Pontecurone, tao amin'ny diosezin'i Tortone. Teo amin'ny faha-13 taonany izy dia noraisin'ny Franciscains tao Voghera. Herintaona monja anefa izy no tao, noho ny tsy fahasalamany. Ny taona 1886 ka hatramin'ny taona 1896 dia, mpianatr'i Don Bosco tao Valdocco, tao Turin izy.

Ny 16 ôktôbra 1896 dia, niditra tao amin'ny seminera tao Tortone izy, ary tamin'io fotoana maha seminarista azy dia efa nanampy ny hafa izy, niaina tao anatin'ny firaisan-kina niaraka tamin'ireo namany, tao amin'ny fikambanana Société de secours mutuels izy tao San Martino, sy Conférene Saint Vincent. Nanokatra ny sekoly voalohany fiahiana an'ireo tovolahy tao Tortone izy, mba hanomezana fanabeazana kristiana ireo zazalahy tao an-tanàna, ny 3 jolay 1892. Herintaona taorian'io, ny 15 ôktrôbra 1893, mbola seminarista izy tamin'izany fotoana izany, dia nanokatra kolejy ho an'ny tovolahy mahantra tao San Bernardino ny 13 aprily 1895, Luigi Orione moa 23 taona tamin'izany fotoana izany.

Nohamasinina ho pretra izy, fa tamin'io ihany koa dia efa nisy mpianatra enina tao amin'ny sekoly naoriny io, no nomena ny akanjon'ny seminarista. Vetivety dia nanokatra trano vaovao i Don Orione tao Pavie, tao Sicile, ary tao Roma. Nitombo ny isan'ny seminarista sy ny pretra nanara-dia an'i Don Orione, izay natsoina hoe : La Piccola Opera della Divina Provvidenza. Ny taona 1889 izy no, nanisy ny sampana Ermite de la Divine Providence, ny eveka tao Tortone, no nanome ny fankatoavana izany, araka ny lalàn'ny Fiangonana, tamin'ny hitsy volana navoakany ny 21 marsa 1903 ; ary nanomboka teo ny anaran'izy ireo dia natsoina hoe : Fils de la Divine Providence, nisy pretra izy, nisy frera, ary nisy mpitoka-monina. Fikambanana ho an'ny lehilahy ireo, izay nanokan-tena mba hiara-hiasa amin'ny hitondrana ireo mahantra, ny madinika ary ny vahoaka ho ao amin'ny Fiangonana sy ny papa, amin'ny alalan'ny asa fiantrana sy fitiava-namana, ary ny voadin'izy ireo dia nisy faha-4, ankoatra ny voady telo fanaon'ny relijiozy, dia tsy inona izany fa hoe : ny tsy fivadihana amin'ny papa. Tamin'ny lalàm-panorenana fikambanana voalohany ny 1904, anisan'ny tanjon'ity fikambanana ity ny hiasa mba ho an'ny fiombonan'ny Fiangonana misaraka.

Tena nampientana ny aim-panahiny ny fitiavana ny Fiangonana sy famonjena ny fanahy, ary ny tena nisarika ny sainy dia ny olana lehibe nisy tamin'ny vanim-potoana niainany. Toy ny fahafahana sy ny firaisan'ny Fiangonana, ny olana tao Roma, ny modernisma, ny sosialisma, ary ny fitorina ny Vaovao Mahafaly amin'ireo mpiasan'ny orin'asa. Tonga namonjy ireo tra-boina vokatry ny horohoron-tany tamin'ny 1908 sy ny 1915 i Luigi Orione. Notendren'ny papa Pie X ho vicaire général tao amin'ny diozesy tao Messina izy, nandritra ny telo taona.

Roapolo taona taorian'ny nanorenany ny Fils de la Divine Providence, ny 29 jona 1915, dia nanorina ny fikambanana Petites Sœurs Missionnaires de la Charité izy, izay mitovy amin'ny aim-panahin'ireo sampana lehilahy ihany, ary nampiarahany tamin'ireo ny Sœurs Adoratrices Sacrementines, fikambanana mandray ireo vehivavy tsy mahita, ary nampiany ihany koa ireo mpihiboka nantsoina hoe : Contemplative de Jésus Crucifié. Ny lahika indray dia navondrony amin'ny fikambanana maro, ohatra ny hoe : Dames de la Divine Providence, Anciens élèves ; sy ny hoe : Amis, ary taty aoriana ireo dia naka ny endrika : Institut Séculier Don Orione, sy Mouvement Laïc Don Orione.

Tao aorian'ny ady lehibe voalohany, izany hoe ny 1918, dia nitombo ny sekoly, ny kolejy, ny asa fambolena, ny asa fihantrana sy ny fiahiana ireo sahirana. Anisan'ny nampiavaka an'izany asa rehetra izany ny tao amin'ny Petits Cottolengo, ho an'ireo tena mijaly sy tsy misy mpiahy, sekoly naoriny amin'ny sisin'ny tanàna, ary toy ny seza fiandrianana vaovao hitenenan'i Kristy sy ny Fiangonana, izay jiro manazava ny finoana sy ny fandrosoana tao amin'izany tanàna izany. Nandefa misionera maro izy, ka ny voalohany tamin'izany dia nalefany tany Brésil, avy eo dia niitatra nankany Argentine sy Uruguay, Palestine, Pologne, Amérique, Angleterre, Albanie sy ny sisa. Ny tenany mihitsy no nanao ny asa fitoriana tany Amérique latine tany Argentine sy Brésil, Chilie sy Uruguay, ny taona 1921-1922 sy ny taona 1934 ka hatramin'ny taona 1937.

Mpampianatra, mpitantana am-panahy, mpiasa tsy mahalala sasatra, mpitaiza sy mpikolokolo ny fiainan'ny vahoaka, ary fatra-panaja an'i Masina Maria i Luigi Orione. Ny ririnina 1940, mba hanamaivana sy hitsaboana ny aretin'ny fo sy ny avokavoka izay nahazo azy, dia niverina tany San Remo araka ny nolazainy izy hoe : "tsy eo anelanelan'ny palmier no tiako hiainana na hahafatesana fa eo amin'ireo mahantra, dia i Jesoa Kristy". Telo andro tao aorian'io, nohodidinin'ireo rahalahany izy, ary nodimandry ny 22 marsa 1940. Teo am-pialany aina dia nanonona ny hoe : "Jesoa ô ! Jesoa, ho avy eo aminao aho". Marihina fa tamin'ny fotoana namadihana azy ny 1955, dia mbola tsy rava ny vatany, ary nafindra tao amin'ny fiangonana Sanctuaire Notre-Dame de la Garde tao Tortone, izany reliques izany. Ny papa Joany Paoly II no nanoratra azy ho isan'ny olontsambatra ny 26 ôktôbra 1980.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...