23 jolay — Teraka tao Finsta tamin’ny taona 1303 i Masimbavy Brigitte akaikin’i Uppland moa no misy an’izany toerana izany. Zanaky ny governora ao amin’ny faritr’i Uppland izy. Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nanambady an’i Ulf Gudmarson, andriana izy io, izay niterahany valo mianadahy.

Ny taona 1335 dia nalefa tao amin’ny lapa izy Mba hanampy ny mpanjaka vavy Blanche tao Namur vadin’ny mpanjaka Magnus IV. Ny fahatongavan’i Brigitte tao dia nisy fiantraikany lehibe, hanala azy tamin’ny fifikirana amin’ny rendrarendra'nny fiainan’izao tontolo izao, indrindra fa ny asa fiantrana nataony tamin’ny olona sahirana. Niaraka tamin’ny vadiny nanao fivahinianana masina tany Saint-Jacques-de-Compostelle moa i Brigitte. Ary rehefa niverina avy any izy ireo dia nandeha nitoka-monina tany amin’ny sitersianina tany Alvastra i Ulf vadiny ary maty tany taona 1344. Ny taona tamin’ny 1363 dia nanorina fikambanana relijiozy i Brigitte izay nifanila monina tamin’ny trano fitokana-monina tao Vadstena antsoina hoe “Ordre du Très Saint Sauveur”. Ho an’ny lehilahy sy ho an’ny vehivavy io fikambanana io ary tsy mihaona mihitsy ireo mpikambana ao ireo raha tsy amin’ny fotoam-bavaka ihany. Natokany ho amin’ny famolahan-tena sy ny fibanjinana moa ny fiainany, izy raha teo mpikambana tao amin’ny tertiaire fransisikanina ary heverina fa izany ihany koa no manome hery azy hanorina io fikambanan’ny relijiozy io. Marihina fa nanaraka ny fitsipik’i Masindahy Augustin i Masimbavy Brigitte. Nankany Roma i Brigitte mba handray ny fankatoavana io fikambanana io avy amin’ny papa ary tany izy no nodimandry ny 1373.

Marihana fa tamin’ny taona 1350 i Masimbavy Brigitte dia nahita an’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana, nihetsika àry i Jesoa Kristy no nanambara ny vavaka dimy ambin’ny folo atao isana’ndro mandritra ny herintaona mba hahatsiarovana sy hanajana ny kapoka mihisa 5480 nahazo an’i Jesoa nandritra ny fampijaliana azy. Maro ihany koa ireo fahitana sy fanambarana hitan’i Masimbavy Brigitte ka nahatonga azy nanoratra boky maro, anisan’izany ohatra ny hoe : “Révélations”, boky valo izy io izay milazalaza ny fahitana indrindra indrindra moa izany fa ny fiainan’i Jesoa sy i Marie ary ireo zava-nitranga tamin’ny niaingan’i Masimbavy Brigitte. Eo ihany koa ilay boky antsoina hoe Sermon Angelicus izay hitantaran’i Masimbavy Brigitte ny resaka nifanaovany tamin’ny anjely momba ny fiainan’i Marie ary anisan’ny boky nosoratany ihany koa ny hoe “La règle de l’ordre” izany hoe ny fitsipiky ny fikambanana. Nisy boky ihany koa nantsoina hoe “Révélations extravagantes” ary ny vavaka araka ny nambaratsika hoe maro ireo vavaka nataon’i Masimbavy Brigitte. Tiana ny manamarika etoana fa i Masimbavy Brigitte dia renin’i Masimbavy Catherine de Suède, ary i Masimbavy Brigitte no olomasina mpiaro ny mpivahiny izany hoe ny “voyageur” izany sy ny mpivahiny masina. Izy ihany koa no mpiaro an’i Suède sady mpiaro faharoa an’i Europe. Maro ny fomba anehoana azy amin’ny sary. Fa anisan’ny misongadina amin’izany ny fanamiana vehivavy andriana na akanjon-drelijiozy miaraka amin’ny lakroa ary mety misy ihany koa sary hafa hanavahana azy amin’ny olomasina hafa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...