28 jolay — Iray amin’ireo olomasina nanorina ny tananan’i Bretagne i Samson. Voalaza fa teraka tany amin’ny faritra Glamorgan ankehitriny, izany hoe izany hoe atsimo andrefan’i Pays de Galles izy io. Efa ela ny ray aman-dreniny no naniry hanan-janaka izay voa nahazo azy.

Ka mba hanokanana azy ho an’Andriamanitra dia nalefan’izy ireo tany amin’ny trano fitokana-monina tany Llaniltud Fawr izay antsoina hoe Llantwit Major amin’izao fotoana izao any akaikin’i Cardiff i Samson. Mpianatr’i Masindahy Ildut moa izy tamin’izany fotoana izany. Vitany ny nampandroso ny ray aman-dreniny ho amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina. Ary izy ihany koa no nitantana ny trano fitokana-monina tao Ynys Bŷr’ tao aorian’ny fahafatesana tampoka nahazo ny abbé Piron. Tao aorian’ny fandalovany tao Irlande dia nohamasin’i Masindahy Dubrice ho eveka izy ary avy eo nifindra tany Cornouailles ka nonina tao Golant. Tamin’ny zohy iray fonenana bibilava izay no nonenany ka norohany tao ilay bibilava. Namakivaky ny ranomasin’i Mache izy mba hiazo an’i Bretagne ary nipetraka tao Dol de Bretagne na antsoina hoe Ille-et-Vilaine amin’izao fotoana izao. Izy no eveka voalohany tao amin’io tanan’i Dol io ary nandray anjara tamin’ny famerenana an’i Judual teo amin’ny fiketrahany. Nanampy azy tamin’izany moa ny mpanjaka tao Paris Childebert I. Marihana fa nodimandry ny taona 565 moa i Samson tao Dol.

Ao amin’ny katedralin’i Masindahy Samson-de-Dol-de-Bretagne no milevina i Samson. Izy ihany koa no nanome ilay fiangonana Masindahy Samson-sur-Rance ao akaikin’i Dinan ny anarany. Any Finistère ihany koa dia misy chapelle mitondra ny anarany. Maro moa ny toerana misy fanajana an’i Samson ivelan’i Bretagne toy ny any Jersey, Guernesey, Normandie, ny any Eure. Ny fiangonana ao La Roche-Guyon ao Val-d’Oise sy ny ao Clermont ary ny ao La-Poterie dia mitondra ny anarany ihany koa. Nambara fa isan’ny antony nanandratana azy ho olomasina ny fanafahany ny demony tamin’ny vehivavy iray, voalaza fa nandray anjara ihany koa tamin’ny konsily tao Paris tamin’ny toana 557 i Samson. Rehefa nandositra ireo Normands ny Bretons dia nentiny nifindra ny reliques an’i Masindahy Samson ka ny taona 930 dia napetraka tao amin’ny trano fitokana-monina tao Saint-Symphorien d’Orléans ary lasa nitondra ny anarany indray koa io trano io taty aoriana. Ny tananan’i Dol moa dia lasa toerana fijanonana fivahinianana masina ho an’ireo olomasina fito voalaza teo aloha. Hajaina ho mahery fon’ny tao Bretagne moa i Masindahy Samson.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...