23 septambra — Teraka ny 25 mey 1887 tao Pietrelcina faritanin’i Bénévent Campanie ao Italie i Francesco Forgione. Orazio Forgione sy Giuseppa Di Nunzio no ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo. Ny ampitson’ny nahaterahany i Francesco dia efa vita batemy tao Sainte Marie des Anges izy, tao Pietrelcina.

Mbola zaza izy dia tia vavaka ary nanana fahitana mahagaga, na ankizy aza izy tamin’izany fotoana izany dia tsy mba nilalao niaraka tamin’ny namany nitovy aminy satria mandrabiraby azy hono. Teo amin’ny faha dimy ambin’ny folo taonany izy no nanomboka niaina ny fahavarianana masina. Ny taona 1903, nankany amin’ny fikambanan’ny Ordre des Frères Mineurs Capucins tao Morcone izy tamin’ny 22 janoary. Tsy salama anefa izy dia naverina tany amin’ny fianakaviany ka tao aorian’izay indray dia niverina tany. Naka ny anarana hoe Pio izy tamin’ny fotoana nanamasinana azy ho pretra. Ny nifidianany an’io anarana io dia ho fahatsiarovana an’i Pie V. ny 10 aogositra 1910 izy no nohamasinina ho pretra tao amin’ny katedraly tao Bénévent ary avy eo dia nalefa hiasa tao amin’ny fiangonana Sainte Marie des Anges tao Pietrelcina. Tamin’ny 1911 dia efa nilaza tamin’ilay mpampikônfesy azy fa efa ho herintaona no nisy faritra mena, manaintaina azy ny tanany sy ny tongony. Ny 06 septambra 1916 izy no nankany amin’ny trano fitokana-monina tao san Giovanni Rotondo.

Ny 05 aogositra 1918 hatramin’ny 20 septambra 1918 : niseho tamin’i padre Pio ireo famantarana ny fery dimin’i Kristy araka ny nambarantsika teo. Saika hafeniny izy io nefa nolazan’ireo vehivavy manaraka ny fitaizam-panahy tamin’ny olon-kafa ary nahelin’izy ireo izany vaovao izany. Niely tamin’ny gazety malaza tao Italie ary izy ka maro ireo olona no tonga tao amin’ny trano nonenany. Natao ny fitiliana, fa sahirana ireo mpitsabo mitady ny fototr’aretina. Noho ny fibosesiky ny kristianina tonga tao aminy dia tsy navela nanao lamesa ampahibemaso sy nampikônfesy izy nonomboka ny 23 mey 1930. Nandritra ny fiainany i padre Pio dia niady tamin’ny demony, ny fahamasinany dia tsapan’ireo nifanerasera taminy, tamin’ny alalan’ny fanasitranana ary voalaza fa afaka hita amin’ny toerana roa mifanalavitra sy tsy mifankahita akory amin’ny fotoana iray i padre Pio. Io ilay antsoina amin’ny teny frantsay atao hoe “bilocation”. Mahavita tsy mihinana sy tsy misotro mihoatra ny roa volana izy, ary mahay sy mahazo fiteny fahiny mbola tsy henony akory.

Ny 14 jolay 1933 no nomen’ny Fiketrahana Masina alalana indray hanao Sorona Masina ampahibemaso sy hampikônfesy. Ny 1940 àry, nanokatra hôpitaly izy mba hanamaivanany ny fanaintanan’ireo marary. Fa tamin’ny 5 mey 1956 vao nosokafana tamin’ny fomba ofisialy io toeram-pitsaboana io. Fa talohan’izany ny taona 1947 dia namangy azy i père Karol Wojtyla, ary tamin’izay no nanambaran’i padre Pio azy fa ho fidiana ho papa izy ary hisy hifofo ny ainy. Ny taona 1962 efa eveka i Karol Wojtyla tamin’izay no nandefa taratasy taminy hivavaka ho an’ny renim-pianakaviana iray, izay voan’ny homamiadana, efatra andro tao aorian’izay dia sitrana ilay vehivavy.

Ny 22 septambra 1968 àry no nankala “stigmate”. Tamin’izay fotoana izay no nanandratany vavaka hoe 50 toana naha relijiozy ahy, 50 taona nifantsihana tamin’ny hazofijaliana, 50 taona ho anao ry Andriamanitra ! Mba ho an’ireo olona navotanao. Ny alin’io izy no nomena ny sakramenta fanosorana ny marary ary nodimandry ny 23 septambra tamin’ny roa sy sasany maraina. Ny 2 mey 1999 no nambaran’i papa Joany Paoly II faha olontsambatra i padre Pio. Ary ny 16 jiona 2002 no nasandratra ho olomasina nomena ny anarana hoe : Masindahy Pie tao Pietrelcina. Lasa toerana fanaovana fivahinianana masina ny toerana nandevenana azy. Ary ny 03 martsa 2008 navadika i padre Pio ka hita fa mbola tsy nivadika ny vatany, ary navela ho tazan’ny olona tao anatin’ny vata fitaratra hatramin’ny volana septambra 2009.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...