03 ôktôbra — Teraka ny taona 890 tao Stave, tanana kely tao Florennes i Gérard. Sancius no rainy, izay avy amin'ny fianakavian'ny duc d'Austrasie. Avy amin'ny reniny indray izy dia nanana dadatoa an'i Etienne, eveka tao Liège. Nanan-tany tao Brogne ireo ray aman-drenin'i Gérard ireo. 

Mbola kely i Gérard dia nirian'ny ray aman-dreniny ho ao amin'ny tafika, satria nilaina izany tamin'ny fotoan'androny, ka mbola tanora izy dia efa voaray ho page tao amin'ny lapan'i Béranger, comte de Namur. Ny toe-panahy sy ny fahaizan'i Gérard dia nahatonga an'i Béranger natoky azy ka nanankinany andraikitra sarotra. Rehefa maty ny rain'i Gérard dia lasa nirotsaka ho bénédictin izy, ary nonina tao amin'ny trano fitokana-monina tao amin'ny nisy ny tany nolovainy tamin'ny rainy. Raha mbola msiy koa ny fotoana dia hain'i Gérard hatrany ny manome lanja ara-panahy ny zavatry ny tany. Na miaraka amin'ireo namany aza izy : mihaza, mivory... dia hainy tsara ny mampivoitra izany lanjan'ny fanahy izany.

Indray andro, raha tena nifantoka tamin'ny vavaka iny Gérard dia nahazo iraka sy baiko avy amin'i Masindahy Pierre. Tena nazava ny fahitany : "Tsy maintsy entina aty ny reliques an'i Masindahy Eugène de Tolède, martiry. Ary manangana fiangonana iray ho voninahitr'Andriamanitra sy i Masindahy Eugène". Tao aorian'izay dia nankany France i Gérard, nandalo tao amin'ny trano fitokana-monina bénédictin Saint-Denis ao akainin'i Paris izy. Henony fa hoe nisy reliques an'i Masindahy Eugène tao ka nangataka ampahany izy mba ho entina any amin'ny sanctuaire any Brogne. Mbola hita ao amin'ny fiangonana Saint-Gérard io relique io hatramin'izao ary aseho mba ahafahan'ny olona manaja azy ao amin'ny ôtelin'i Masindahy Pierre.

Fa raha iverenantsika ny fiainana maha relijiozy an'i Masindahy Gérard dia ny taona 923 izy no lasa pretra bénédictin raha tamin'ny taona 919 izy no nilaza fa hiditra ho mpitoka-monina tao. Tao Saint-Denis izy no niofana. Raha ny faniriany dia ny hitoka-monina sy hilamina any amin'ny trano fitokana-monina ihany, nefa dia nahazo iraka izy, hanampy amin'ny fanavaozana ny trano fitokana-monina hafa, ka nahatratra eo amin'ny valo ambin'ny folo eo ireo trano fitokana-monina nanaovany izany fanavaozana izany. Ohatra ny tao Saint-Ghislain tao Gand, ny Saint-Bavon, Saint-Pierre... Marihana fa nodimandry tao Brogne ny 03 ôktôbra 959 i Gérard, ary ny papa Innocent II no nandratra azy ho olomasina tamin'ny taona 1131, fotoana nanaovana ny Kônsily tao Reims.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...