Alarobia 8 jona 2022 — Masindahy Jacques Berthieu — Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny amin’i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21

Mankalaza ny fetin’i Masindahy Jacques Berthieu isika izao ka aroso amintsika ny Evanjely sahaza an’izany. Maritiry moa izy ka mifanitsy amin’izany ity tenin’i Jesoa ity : "Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo." Tsy olon’izao tontolo izao i Mompera Jacques Berthieu ka halany fa manîny azy, fa sady Pretra izy no vazaha ary koa relijiozy. Mazava ny tenin’i Jesoa eto : "Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo" izany no mpanara-dia an’i Kristy ka izay mahazo Azy mahazo izay manara-dia Azy koa. Koa aza taitra na kivy amin’ny fanenjehana. Tsy mora mantsy io fanarahan-dia an’i Kristy io. Tsarovy mandrakariva ny teniny hoe : "Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo". Tsy ho ambony noho Izy velively isika. Ary amin’izay atao rehetra aza, aoka ho izany no hibaiko antsika fa matetika io mitady hisongona ny tompoina io tsy mampandeha ny atao fa miteraka fialonana goavana ka vita hatramin’ny mandatsaka aina aza.

Nisy efa hatrany am-piandohana ka mandraka ankehitriny ny fankahalana fa tsy mitovy ny endrika isehoany. Avy amin’ny ratsy izany ka manome vahana ny ratsy izay mankahala. Samy zanak’Andriamanitra ka nahoana no mifankahala sy mifandrafy ? Natao hifanampy sy hifanohana isika fa tsy hifankahala velively.

Aza gaga raha manitsy olona amin’izany ka tsy mahomby fa tsy maintsy ho halany ihany koa satria manala azy amin’ny haizina mahazatra azy. Efa mameno ny fony mantsy. Azo ialana anefa izany. Manimba io ka tsara hatsahatra. Matetika miteraka ity fanenjehana ity ny fialonana ka tsara foanana sy iadiana mafy aloha. Tsarovy fa raiben’ny fialonana ny demony ka iza no hanaiky ho taranany ka ho eo ambany vahoany. Misy koa olona tsy manan-katao afa-tsy ny manenjika ka tsy voatery valiana enjika fa lasa mifanenjika. Aoka ny vavaka atolotra azy ireny mba hiovany sy hibebahany. Marina fa tsy mora izany kanefa tsy maintsy tanterahana.

Tiana ho marihina eto fa tsy ny tsirairay ihany no mifanenjika fa eo koa ny manenjika ny Eglizy amin’ny fahamarinana ijoroany, amin’ny tsy maha an’izao tontolo izao azy. Malailay fonosana mantsy isika matetika ka sarotra iaraha-monina. Aleontsika ny maizina toy izay ny mazava ka ialonana sy potehina ary ankahalaina izay mitondra mazava rehetra. Loza anefa izany. Maninona no mifanenjika ? Tsy aleo ve mifanohana hatrany, aleo miara-dia, mifampitantana ; toy izay mifanipaka toa valala an-karona, na koa toa lalovan’ny corona ka na mifanakaiky aza mifanampim-bava sy mifampiahiahy ! Hivavaka ho antsika i Masindahy Jacques Berthieu, hialantsika amin’izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...