Zoma 24 jona 2022 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; sady mahalala ny ondriko Aho no fantatry ny ondriko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 3-7

Mankalaza ny Fo Masin’i Jesoa ny Eglizy anio. Ilay Fo fatra-pitia ny olombelona na dia eo aza ny fahotantsika. Marihina fa ny mpanota no tiany fa tsy ny ota. Manasa antsika mandrakariva àry Izy, ny mba hialana amin’izany fahotana izany ka hibebaka mba hanana fo vaovao.

Mpanota avokoa isika olombelona rehetra, ary ao anatin’izany fahalemena izany no tokony hangatahantsika ny fahasoavan’Andriamanitra mba hiverina Aminy. Isika tsirairay no tian’i Jesoa ambara amin’ilay hoe ondry very, rehefa manota. Izany hoe miala amin’ny lalana marina izay natorony antsika. Tsy tiany ho very anefa isika ka mitady ny fomba rehetra Izy hamonjeny antsika. Mitaky fanetren-tena avy amintsika anefa aloha izany, dia ny fanekena ireo ratsy izay natao sy vonona marina ny hibebaka ka hiverina Aminy. Tahaka ny hafalian’ilay ray izay nitsena an’ilay zanany mpandany eto ny hafalian’Izy Andriamanitra rehefa miverina Aminy isika zanany mpanota. (Lk 15, 11-32)

Mampianatra antsika àry i Jesoa eto, ny mba tsy hitsara sy hanameloka ny hafa rehefa misy ny tsy mety ataony. Mpanota avokoa mantsy isika ka tokony hifanampy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fomba rehetra atao mankany any amin’ny fibebahana. Tokony hahatsapa hafaliana lehibe isika ao anaty ao rehefa mibebaka sy nahavita nampibebaka ny hafa. Fo feno fanetren-tena tahaka ny Azy àry, no tian’i Jesoa hananantsika mba tsy ho tonga any amin’ny fiavonavonana toy ireto Farisianina ireto, izay mihevi-tena ho marina.

Ry Fo Masin’i Jesoa ô : matoky anao izahay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...