Alahady 25 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ho anay, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 19-31

Ry mpihaino hajaina, ity tenin’Andriamanitra ity dia efa fantatsika tsara : fanoharana nataon’i Jesoa momba an’i Lazara sy ilay mpanan-karena. Amin’ny maha fanoharana azy dia misy lesona sy hafatra tian’i Jesoa ampitaina amintsika. Ny fampianarana voalohany zaraina amintsika ary dia ny mikasika ny fiainana ety an-tany sy ny fiainana any an-koatra. Mpivahiny isika olombelona ety an-tany. Ny tanjontsika dia any an-danitra, hiara-tsambatra amin’Andriamanitra. Mifampiankina ny fiainantsika ety an-tany sy ny fandovana ny fiainana mandrakizay. Mampandinika antsika ny zava-niseho amin’ny fanoharana fa na dia nanana ny ampy aza tety an-tany, izany hoe niaina ny hasambarana tety an-tany, dia tsy nitohy izany fahasambarana izany rahefa miala an’ity tany ity. Tsy miankina amin’ny harena ety an-tany noho izany ny fahazoana ny fanjakan’Andriamanitra, tsy voavidin’ny vola koa izany. Tsy miankina amin’ny ara-materialy koa noho izany, fa miankina indrindra amin’ny fiainana ara-panahy.

Tsy ny fananana harena no misakana antsika hiditra ny lanitra, i Jesoa tsy nilaza fa izay manana ny ampy ety an-tany dia tsy hiditra ny lanitra, fitenintsika aza ny hoe : manomboka ety an-tany ny paradisa. I Jesoa kosa anefa efa nampitandrina ihany hoe : "Sarotra ho an’ny mpanan-karena ny hiditra ny fanjakan’Andriamanitra". Sarotra hoy i Jesoa raha sanatria ka mifikitra amin’izany samirery izy. Sarotra raha sanatria ka tsy nahatonga azy hijery ny namana fa variana samirery amin’ny fampitomboana ny harena na ny fanompoana azy. Hany ka adino mihitsy ny namana manodidina eo akaiky aza. Ity tsy firaikena na tsy firaharahana mitodika amin’ny hafa ity ilay fitiavan-tena, ity fomba ratsy ity matetika no mahavoa antsika olombelona, tsy mijery sy miraika loatra matetika ny manodidina.

Izay te hiombona amin’Andriamanitra anefa dia tsy maintsy maka tahaka ny fombany. Nahafoy ny zanany lahitokana, hamonjy antsika ka naniraka, nandefa ny zanany "Jesoa Kristy" tety an-tany. Maka tahaka an’Andriamanitra amin’ny fangorahana amin’ny fijaliantsika sy ny fahoriantsika. I Jesoa ilay endrik’Andriamanitra : nanasitrana, nanome sakafo, nandroaka demony, nampianatra... dia nantanteraka izany.

Mampahatsiahy antsika koa ny Soratra Masina fa ankoatra ny lanitra dia misy toerana hafa izay lavitra an’Andriamanitra, izany hoe lavitra ny hasambarana, toeram-pijaliana mandrakizay. Ny hafatra ampitain’ny Soratra Masina àry dia hoe rahefa miala amin’ity tany isika dia mizotra amin’ny fandovana ny hasambarana na ny fandovana ny fijaliana mandrakizay. Ny anio ety an-tany no manomana ny rahampitso dia ny fiainan-ko avy. Izay te handova ny lanitra izany dia olona manana ireto toe-panahy ireto : mahafoy sy mizara ary mangoraka. Ka tanteraka ny fitenintsika hoe ny soa atao levenam-bola.

Ry Jesoa Tomponay, ampio izahay mba hahay hanapaka ny tambazotran’ny fitiavan-tena ny hanangon-karena, afaho izahay amin’ny fiahiana izany be loatra sy ny fandaniandaniam-poana fa mba halala-tanana indrindra amin’ireo mahantra sy ny fadiranovana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...