Alarobia 28 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 57-62

Ry kristianina havana, ny Vaovao Mahafaly henontsika eto dia mitantara ny endrika samihafa ny fomba hanarahantsika an’Andriamanitra. Mahatonga antsika manontany hoe ahoana marina ity fiainana maha kristianina ity, izany hoe amin’ny maha mpanara-dia, maha mpianatr’i Jesoa antsika.

Ilay sokajy voalohany sy fahatelo, izy ireo no tapa-kevitra hanaraka an’i Jesoa. I Jesoa kosa nampandinika azy ireo. Nampandinika i Jesoa sao ireo izay te hanaraka an’i Jesoa, diso fiheverana ka nambaran’i Jesoa mialoha ireo fahasarotana izay mamatotra ny olombelona matetika. Izay te hanara-dia an’i Jesoa dia tsy maintsy miombona anjara, miombom-piainana aminy "ny zanak’olona tsy mba manana hampandriany ny lohany", hiaina tanteraka ny tsy fifikirana amin’ny haren’izao tontolo izao. Noho izany izay te hanara-dia an’i Jesoa dia tsy ampy ny hafanam-po fa vonona ny ho lavina, ho vonona ny tsy ho voaray. Miakatra ho any Jerosalema i Jesoa no mampiomana mialoha ny mpanara-dia azy sy nampahafantatra mialoha ny hanjo azy, sao sanatria tafintohina. Noho izany tsy ho taitra isika amin’ny fiarahan-dia miaraka amin’i Jesoa raha sendra fisedrana mafy maro samihafa, hahatsiaro kosa fa miombom-piainana aminy. Hijaly, hovonoina fa hitsangana amin’ny maty.

Ilay sokajy faharoa kosa mampiseho fa i Jesoa no miantso izay ivon’ity andalan-tSoratra Masina ity. Ny fanarahan-dia an’i Jesoa dia izy no miantso antsika mba hanara-dia azy. Ny maha mpianatr’i Jesoa antsika dia mampiseho fa isika dia namaly ny antsony ka manara-dia Azy. Noho izany manaiky izay hitondrany antsika sy manaiky izay hanirahany antsika ary manome lanja voalohany ny iraka ampanaoviny antsika mihoatra ny zavatra rehetra, eny fa na dia ny fianakaviana aza. Hoy i Jesoa : "Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra". Tsy sanatria hankahala ny ray aman-dreny na hitsipa-doha laka-nitana fa vonona hampiseho voalohany aloha izay fifikirany amin’i Jesoa izay eo amin’ny fiainany. "Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy..." Mt 10, 37.

Izay rehetra voaantso àry, dia hahatsiaro fa tsy ny fahaizana na ny fahamendrehana na ny fahalalana na ny fahatanjahana no antoka ahafahana manara-dia an’i Jesoa fa ny fahasoavany irery ihany. Izy no miantso, izy koa no manome ny fahasoavana rehetra. Hoy i Masindahy Paoly : "Izay notendreny no nantsoiny, izay nantsoiny no nohamarininy, izay nohamarininy no nomeny voninahitra" (Rm 8, 30). I Masindahy Paoly ihany no miteny fa "Siny tany no itondrany izany rakitra izany mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely fa tsy avy aminay" (2 Kor 4, 7). Ny maha mpianatr’i Kristy antsika àry dia tsy mora fa misy fepetra sy fenitra maha kristianina takina, tsy maintsy hitafy azy, io ilay fibebahana. Koa tsy hitsahatra hivavaka isika, hangataka amin’ny Ray mba hanirahany mpinjinja sy ho masim-piaina izay rehetra antsoiny.

Ry Jesoa zokinay, aniraho mpinjinja hatrany ny sahanao, ary omeo hery sy fahasoavana ilainy izay nantsoinao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...