Alakamisy 6 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13

Raiamandreny Andriamanitra, ilaina ny fifandraisana aminy. Mitsinjo ny zanany rehetra. Izay maniry handova ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy miezaka hahalala azy. Hoy i Masindahy Joany hoe ny vavaka tena izy dia ny fiezahana hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra mba hahafahana manahaka azy amin’ny famindram-pony sy ny fahalavorariany faratampony.

Fantantsika ihany koa fa tsy mifidy olon-kasoavina Andriamanitra. Ka nahoana ary no ilaina ny mivavaka aminy. Inona no hilana ny mangataka aminy hanaovana lemozy handondomana. Ireto fanoharana ireto no manampy antsika amin’izany ka hodinihintsika tsirairay. Ilaina tokoa ny mivavaka :

Voalohany "ilay sakaiza manelingelina" (Lk 11, 5-13). Mamporisika antsika hanao ankisisika amin’ny fivavahana. "dondomy dia ho vohaina ianareo". Raha maharitra mivavaka toy izany dia ny Ray no hanome izay rehetra ilain’ilay olona ary ny Fanahy Masina no tompon’ny fanomezana rehetra. Faharoa, fanoharana momba "ilay vehivavy mananontena manelingelinina" (Lk 18, 1-8), ireo toetra ilaina amin’ny fivavahana no asongadin’io, tsy maintsy mivavaka lalandava sy amim-paharetana ary amim-pinoana. "Kanefa ny zanak’olona rehefa hiverina moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany va izy ?". Fahatelo "ilay Farisianina sy ilay poblikana" (Lk 18, 9-14). Ny fanetren-tenan’izay mivavaka : "Andriamanitra ô, mamindra fo amiko fa mpanota aho". Ary dia noraisin’ny Fiangonana ho vavaka fifonana mandraka ankehitriny io (Kyrie eleison na hoe Tompo ô, mamindra fo aminay).

Mora ho antsika ny mahazo ny hevitry ny fivavahana nampianarin’I Jesoa antsika raha miaina ny maha zanaka isika amin’ny vavaka sy ny asa ataontsika. Ny zanany dia hidodododo hisahirana sy hampisahirana ny hafa mba hananan’ny olon-drehetra ny fianana. Hatramin’ny mamanton’alina aza. Ary tsy misy afa-tsy izy Andriamanitra izay efa matory no hifoha hanome ny tenany satria izy no mofon’ny fiainana, ireo izay mino azy dia tsy afaka hangataka any an-kafa fa aminy irery no hany azo antoka indrindra.

Alaim-panahy ny sasany amintsika hihevitra fa fo vato no hasetrin’Andriamanitra ny mofo angatahintsika. Tsy misy izy hoy izy ireo matoa tsy mamonjy anay amin’izao fahantrana sy hanoananay izao. Izy anefa no ilay Ray manome hanina ara-potoana ny zava-drehetra sy tsy manao zara vilana araka ny voalazan’ny Salamo (145, 9-15). Tsy Andriamanitra no tsy manome fa isika olombelona no tsy mifampizara. Alaim-panahy koa ireo tsy mpino hihevitra fa mpametsifetsy Andriamanitra, ny fanaovantsika lemozy amin’ny vavaka no ahafahantsika mahalala fa tsy manolo-bato mafana ny zanany izy. Alaimpanahy koa hihevitra fa manome maingoka Andriamanitra, ny maingoka dia mba zava-manan’aina ihany koa saingy mitondra poizina mahafaty. Kanefa i Jesoa maty sy nitsangan-ko velona no ahafahana mandresy amin’ny tahotra ny fahafatesana, izy ilay loharanon’ny fiainana sy fahasambarana.

Roso tokoa ny diantsika izao, mizotra mankany amin’izy Tompo, handray ilay mofo velona isan’andro mba hahatonga antsika koa ho sakafo sy aim-panahy ho an’ny hafa izay mpiara-belona amintsika.

Tompo ô, ataovy mahery fo lalandava izahay hidodododo ao aminao amin’ny fivavahana sy finoana anao ilay velona sy manjaka amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...