Alarobia 04 desambra 2019 - Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 29-37.
Tongava ry Tompo, ary aza ela, vahao ny fatoran'ny vahokanao.

0 : 00

Amin'ny maha-olombelona dia tsy misaraka ny ara-panahy sy ny ara-nofo, satria ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy. Eo koa ilay fomba fiteny hoe: "raha noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy ary raha noana ny fanahy, mihabiby ny vatana". Manoloana izany indrindra no asian-teny izay voalazan'ny Evanjely teo.

Rehefa nahita ireto vahoaka maro nitady famonjena nandritra ny hateloana andro i Jesoa, dia nangoraka sy nitsetra satria tsikariny fa noana izy ireo. Nanoloana izany indrindra i Jesoa no nampiseho fahagagana nanoloana ny mpianany tamin'ny alalan'ny mofo fito sy ny hazandrano madinika vitsy foana. Vita ny vavaka fisaorana, dia naroso ho an'ny olona rehetra ny mofo sy ny hazndrano nampitomboin'i Jesoa.

Izany tokoa ilay hoe "mahefa ny zavatra tsy takatry ny saina Izy Andriamanitra Ray". Ary tsy misy olana tsy mivaha izany, rehefa miaraka aminy. Ary ny hevitry ny hoe sombintsombiny sisa tsy lany nangonina dia midika fa manome izay mahafapo antsika Izy Andriamanitra Ray. Ary manome mihoatra aza. Koa aza misalasala manatona Azy, fa vitan'ny Tompo izay tiany atao.

I Masindahy Jean Damascène no olomasina tsarovan'ny Fiangonana manoka androany. Izy ilay preptra, Mpampianatry ny Eglizy tamin'ny taonjato fahafito sy fahavalo tany ho any. Zanak'olona mpitondra fanjakana izy io, ary efa governora tao anatin'izany. Fa nanokan-tena ho an'Andriamanitra taty aoriana, ka nampalaza azy ny fitiavam-bavaka sy ny fitiavana manokana an'i Masina Maria.

Enga anie ry Jesoa, ny ezaka ataonay amin'izao andro Fiavian'ny Tompo izao, mba ahafahanay mifampizara amin'ny hafa ny manta sy ny masaka. Mba hifampitsinjovanay, hanehoanay fifankatiavana fa Ianao ihany no efa nampianatra anay an'izany. Amen

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...