Alahady 9 mey 2021 — Alahady fahenina fankalazana ny Paka — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17

Mamariparitra amintsika ny fiainana tokony hampiavaka ny mpianatr’i Jesoa ny evanjelista Joany eto. Toetra tokony hananan’izy ireo manomboka ny Paka hatramin’ilay fotoana hiverenan’i Jesoa Kristy fanindroany eto an-tany izany. Marihana etoana fa misy fiovana ny fisian’i Jesoa eto an-tany mandritra ireo fotoana ireo satria hanomboka tsy ho hita mivantana intsony Izy ; noho izany indrindra no ilàna toe-po sy toe-tsaina manokana tokony mifanaraka amin’izany.

Asain’i Jesoa hitandrina ny Lalàn’ny fitiavana isika mandritra izany fotoana izany ; izany hoe asainy hianatra an’ilay fitiavana marina ny hafa tokoa. Marina ny fitiavana ny hafa rehefa mirona makany amin’ny mandrakizay, izany hoe rehefa mitia tsy misy fetra ny hafa isika. Fa iza moa ny hafa lazaina etoana ? Ny hafa dia tsy iza fa ireo akaiky antsika indrindra : ny ray aman-dreny, ny vady aman-janaka, ny rahalahy sy ny anabavy izay mety tsy hifankahazo aminao noho ny ady lova, ireo zokiolona ao an-trano sy eo amin’ny manodidina, ireo olona mpifanolo-bodirindrina aminao izay mety tsy hifankahazo aminao ihany koa noho ny fialonana na fifamaliana nisy tany aloha… midika izany fa ny fitiavana ny hafa dia mila atomboka amin’ireo olona akaiky anao indrindra ireo fa ny lavitra ve moa hatao ahoana ny mitia azy, sady ny fomba fitenintsika rahateo milaza hoe : "izay lavitry ny maso, lavitry ny fo". Ampirisihina isika hijery manokana am-pitiavana ireo olona akaiky antsika fa mila ny fitiavantsika sy ny fifantohantsika izy ireny. Noho izany, mila mitandrina isika etoana amin’ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan-davitra (telefonina, FB…) fa sao ireo akaikin’ny maso indray no lavitry ny fo ka lasa ireo lavitry ny maso no akaikin’ny fontsika.

Fomba ahoana àry ny hitiavana marina ireo namana, ireo akaiky anao indrindra ? Mila monina ao amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy isika araka ny nolazainy. Ny atao hoe monina ao amin’ny fitiavany dia ny hoe mila mahay mandray, mahay maka tahaka sy manohy hatrany ny fiombonan’i Jesoa sy ny Rainy. Noho izany ny atao hoe mitia marina ny hafa dia ny miombom-po sy fanahy amin’ny olona tiavina dia tsy iza fa ireo olona monina eo akaikinao. Fa niteny ihany koa i Jesoa fa mila maka tahaka Azy isika rehefa hitia ny hafa : "Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo". Ny mari-drefin’ny fitiavantsika ny hafa dia ny fomba fitiavan’i Jesoa izany hoe mila mahafoy fotoana ho an’ny hafa, mila mahafoy tena toy ny nataony ihany koa. Mitaky herim-po sy farisihana fatratra izany satria fanamby lehibe tokoa ny mitia tsy mila tambiny, mila fahasahiana mizara izay anananao ho azy, ary tena mila herim-po sy fahasahiana bebe kokoa ny hahafoy ny aina, raha ilainy, ho fitiavana ny hafa. Eto dia maro ny hilaza sy hihevitra hoe : "Tsy azo tanterahana izany !". Aza matahotra fa efa manome ny fahasoavany i Jesoa raha angatahinao aminy izany ary raha manana ny finoana ihany koa ianao satria "Tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao" tahaka an’i Masina Maria. Koa angataho àry i Jesoa mba hanome anao ny fahasoavany sy hampitombo ny finoanao ihany koa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...