Zoma 14 mey 2021 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evan jely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17

Mankalaza ny fetin’i Md Matiasy, Apôstôly ny Fiangonana Katôlika anio. Tantarain’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly anio ny fomba nahavoafidy azy hisolo ny toeran’i Jodasy Iskariota. Tao anatin’ny fotoana eo anelan’elan’ny Fiakaran’i Jesoa Tompo tany an-danitra sy fiandrasana ny Fahatongavan’ny Fanahy Masina indrindra no nametrahan’i Masindahy Lioka ity tantara ity. Ny fampahafantarana ny hoe "iza no apôstôly" anefa no tian’ny mpanoratra havoitra ato anatin’ity tantara ity raha zohina akaiky ny fomba fitantaran’i Lioka azy. Nohantritrateran’i Masindahy Piera apôstôly tao anatin’ny kabariny fa natao hitandrina ny lova-tsofina ny tantaran’i Jesoa Kristy ary Mpijoro ho vavolombelon’i Kristy tafatsangan-ko velona izany apôstôly izany : "Koa amin’ireo lehilahy niaraka taminay nandritra ny andro rehetra nitoeran’i Jesoa Tompo teo amintsika, hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra, dia aoka hisy anankiray ho namanay mba ho vavolombelona hanambara fa nitsangana ho velona i Jesoa". Marihina anefa fa sitrak’Andriamanitra ny nahavoafidy an’i Matiasy fa tsy hoe akory hevitr’olombelona ho fandaminana ny raharaham-piangonana, ary hita taratra amin’ny lahateny nataon’i Piera rahateo ny ezaka nataon’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany mba hamaky ny zava-mitranga ankehitriny araka ny Soratra Masina. Andeha àry hofantarintsika ireo toetra fototra mampiavaka ny apôstôly :

  • Tokony ho an’isan’ireo mpianatra voalohany ny apôstôly, izany hoe an’isan’ireo izay nifampizara tamin’ny Jesoa ny fiainana, ny asa na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.
  • Tokony an’isan’ireo nanao ny andram-piainan’i Jesoa nitsangan-ko velona ihany koa ; izany hoe nihaona tamin’i Jesoa Kristy tafatsangan-ko velona (nisalasala toy ny sasany avy eo niaiky tokoa rehefa nihaona taminy…) fa izany no hahafahany mitory Azy amin-kasahiana sy amin-kerim-po tokoa.

Marihina fa Andriamanitra mihitsy no nifidy an’i Matiasy ary ny vavaka nataon’ireo apôstôly no manamafy fa avy amin’Izy Tompo no iaingan’ny safidy tamin’io.

Ny sakramentan’ny Batemy noraisintsika sy ny Fankaherezana dia efa maniraka antsika sahady ny hitory an’i Jeosa Kristy nitsangan-ko velona amin’ny toerana misy antsika, koa mikeleza aina isika ny hahalala bebe kokoa an’i Kristy amin’ny fifaneraserana aminy amin’alalan’ny Teniny sy ny vatana aman-drany fa izany no hahafahantsika mitory Azy amin’ny olon-drehetra fa velona Izy àry velona ao amin’ny tsirairay, hoy ihany ny papa Fransoa ao anatin’ilay taratasy fanentanana apôstôlika izay nosoratany manokana ho an’ny tanora. Aza matahotra ny hitory isika indrindra amin’izao anjakan’ny tahotra an’ity valanaretina ity : mila mitory amin’ny alalan’ny oha-piainana fa nandresy ny rofy sy ny fahafatesana rehetra i Kristy.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...