Ny olom-banona dia olona tia filaminana, tia fihavanana, manana toetra tia fifanajàna. Na arahaba aza no atao amin'ireo olona heverina ho sahirana sy tsinotsinona ireny dia ampy hampiova ny sainy hivoatra. Ny safidy amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina dia fototry ny rafitra izay afahana mampandroso ny firenena miainga amin'ny kaominina. Ny olom-pirenena izay miisa 13 tapitrisa no antoky ny fampandrosoana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hisitraka fanampiana hatrany amin'ny 250 tapitrisa dôlara ny fianakaviana marefo eto Madagasikara hatramin'ny taona 2027. Tetik'asan'ny ministeran'ny mponina tanterahan'ny FID. Mamatsy vola ny banky iraisam-pirenena... ♦ Nanentana ny olom-pirenena hanefa ny adidiny amin'ny fifidianana kaominaly amin'ny 11 desambra izao Andriamatoa Tojo Ravalomanana kandidà ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hihena tsy toa ny isan-taona ny vokatra letchis any amin'ny Faritra Atsinanana amin'ity taona ity hoy ny mpamokatra. Hitombo ny vidiny eo amin'ny tsena, mangataka ny hampiakarana ny vidim-bokatra ireo tantsaha... ♦ Mitohy ny herisetra any Haïti na dia efa mijoro aza ny fitondrana tetezamita...
Ny Misterin'ny Trinite Masina no Mistery foiben'ny finoana sy ny fiainana kristiana, Andriamanitra irery ihany no afaka hanome antsika ny fahalalana amin'ny fanambarany ny Tenany ho Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Andriamanitra Ray dia Mpahary, ny fahariana an'izao tontolo izao sy ny olombelona no voalohany nanambaran'Andriamanitra sy ho an'ny rehetra ny fitiavany mahefa ny zavatra rehetra... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
24 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco