Alatsinainy 18 oktobra 2021 — Masindahy Lioka, evanjelista — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Lioka 10, 1-9

Henontsika tamin’ny Evanjely eto ny nifidianan’i Jesoa ny mpianany. Tsy nihanona tamin’ireo Apôstôly roa ambin’ny folo ho mpandraharaha mpanampy Azy Izy fa mbola nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa : izany hoe tsy mitsahatra mifidy olona hanara-dia Azy i Jesoa, eny mandraka ankehitriny. Tsara ho marihina etoana fa tsy nisolatsolana hofidiana ny mpianany, na nisosososo toa vinanto tsy mahare fosa fa safidy manokana avy amin’i Jesoa mihitsy. Koa ankehitriny ato amin’ny sehatry ny Eglizy, na misy aza ny fifidianana ataon’ny olona ho an’izay solontenany, mbola tsy maintsy ankatoavin’ny lehibe araka ny antanatohatra, vao azo ekena ho mpitarika izy ireny, dia izay loha araka an’i Kristy eo : na eveka na pretra izany, ny olon-kafa, araka ny voasoritra mazava.

Koa tsy ho an’ny eveka na pretra na diakra ihany fa eo koa ny relijiozy, indrindra isika vita Batemy rehetra mihitsy ka misandrahaka any amin’izay misy azy avy any. Asa vadi-drano izy io ka tsy vita tsy ifanakohonana. Izany hoe tsy roa ambin’ny folo na roa amby fitopolo fotsiny intsony no antsoin’Andriamanitra fa isika rehetra mihitsy. Ka tsy mety ny hoe : "Izahay angaha mba isan’izany !". Aza mialangalana na manilika tena fa samy izy avokoa, indrindra amin’izao fiomanana amin’ny Sinaodin’ny Eveka izao, araka ny lohahevitra amin’izany : Eglizy fiombonana, mandray anjara ary iraka.

Rehefa nofidiny dia irahiny. Tsy hoe hiangona eo aminy fotsiny fa handeha ho iraka, ka ho iraka mahatonga hafatra no zava-dehibe indrindra fa tsy mpitelina na mpamadika hafatra. Amin’izay, tsy ho iraka mpanondro lalana fotsiny fa isan’ny mandeha mihitsy, ho mpitarika aza raha azo lazaina. Izao koa mantsy, tsy alefany mitokatokana, na miolonolona izany fa tsiroaroa : mitaky fiaraha-miasa izany, fiombonana, fiaraha-mientana, fivelarana amin’ny hafa. Koa aza mandeha irery izany fa ny hazo tokana tsy mba ala, ny tondro tokana tsy mahazo hao ary tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina. Tsarovy fa efa hatramin’ny voalohany isika no efa natao hiara-monina ka aoka hatao filamatra izany amin’izay atao rehetra, indrindra amin’ity maha iraka ity.

Hialoha lalana an’i Jesoa no atao any amin’ny iraka any, fa tsy zavatra hafa akory. Tsy hitady tombontsoa manokana ho an’ny tena fa hitory an’i Kristy, Ilay mpaniraka. Araka izany, tehina mialoha andriana, kintana mialoha johary isika fa aza afamadika ! Koa tsy isika no hasongadina fa Ilay Mpaniraka hatrany.

Tsy mora ny iraka atao ka mampitandrina mialoha Izy : Mandehana ; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia, ka aza mora mikemo. Tsy misy koa ny mandeha ho azy izany e ! Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana hilika koa ! Any ampandehanana any, aoka tsy hovoafatopatotra na hovoasaringotra amin’izatsy sy zaroa : na olona na vola na fananana, na harena na voninahitra fa mety ho manodoka ireny ! Tsy izany ihany fa tandremo koa ny kolikoly sy ny fitsarana miangatra ary ireo halotoana maro isan-karazany tsy ho voatanisa eto. Fiadanana no aoka ho entina sy zaraina fa aza loza na sabatra ! Lazao mandrakariva fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. I Masindahy Lioka, mpanoratra ny Evanjely tonga fety izao, hivavaka sy hanampy antsika amin’ny iraka sahanintsika any. Ho to amintsika anie izany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...