Isan’ny hatsaram-panahy angatahin’i Jesoa amintsika mpanara-dia Azy ny famindram-po; “aoka ho mpamindra fo ianareo toy ny Rainareo mpamindra fo”. Ary isan’ireo ezaka lehibe tiantsika hianana mandritra izao karemy izao izany. Fa inona ary moa ny famindram-po ary inona no ataontsika mba ho mpamindra fo koa isika? Fandinihana masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb


Ny famindram-po dia tsy hoe “fanadinoana na famafana fotsiny ilay ratsy nataon’olona taminao; na koa hoe fankasitrahana ilay ratsy nataony, na koa hoe fanirahana azy hanohy ilay ratsy nataony”.
Fa ny famindram-po dia midika hoe: “fihavanana amin’izay nitranga. Izany hoe: mahalala tsara ilay ratra nahazo ny tena ary maheno tsara ny fangirifirian’izany ary mahalala fa ratsy izany hirifiry izany ary tsy mahasoa anao ny fisian’io ratra io eo amin’ny fiainanao ka tianao ny ho afaka amin’izany ratra izany. Ka amin’izany indrindra no hahatsapanao fa fanomezana ho anao aloha ny famindram-po. Manafaka anao amin’ny lasa rehetra izy ary manampy anao hiaina ny ankehitriny. Fa rehefa mamindra fo ny hafa ianao dia sady manafaka azy no manafaka anao amin’ny fatoran’ny fanamelohana. Satria tsaroana mandrakariva ilay ratsy nataony fa ianao kosa misafidy tsy hamaly faty fa misafidy ny hamaly azy am-pitiavana ka izay safidinao izay no manafaka anao. Ny famindram-po dia fanomezan’Andriamanita ary an’Andriamanitra ka tokony hangatahina aminy. Mba ho mpamindra fo isika dia aoka aloha hanokatra tanteraka ny fotsika amin’Andriamanitra mba handry ny famindram-pony ary amin’izay ihany isika no ho afaka hamindrafo amin’ny hafa. Tsy miankina amin’ny famindram-pontsika amin’ny hafa akory ny famelan’Andriamanitra ny helotsika fa izay fo efa nisokatra amin’Andriamanitra ihany no ho afaka misokatra amin’ny namana ihany koa mba hamindra fo aminy.
Ry Andriamanitra Andriananahary Babanay o, omeo ny Fanahinao Masina ny ezaka ataonay hisokatra aminao ka handraisanay ny famindram-ponao ka hahafahanay mamindra fo sy mamela heloka ny rahalahinay ka hisantaranay dien’ny eto an-tany ny hafaliana mandrakizay. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...