Mandritra ny 01 septambra ka hatramin'ny 04 oktobra, miombom-po ny kristianina maneran-tany, amin'izao fotoana natokana ho an'ny fanavaozana sy fanentanana, hikatsahana ireo fomba vaovao hampirindrana ny fiainana miaraka amin'ny voahary.

Miray fo ny fianakaviam-ben'ny kristianina maneran-tany hivavaka sy hiasa ho an'ny tranobe iombonantsika :

Vavaka iombonana amin’ny Papa François mandritra ny volana hahatsiarovana ny fotoanan’ny fahariana 2021

Ry Mpahary an’izao tontolo izao,

Misaotra Anao izahay, namorona ny planetanay mba ho tranobe ho an’ny rehetra, noho ny fiombonanao fitiavana aminay.

Noho ny fahendrenao masina dia nahary ny Tany Ianao mba hiteraka ireo zava-manan’aina isan-karazany,izay mameno ny tany, ny rano sy ny habakabaka. Midera Anao amin’ny maha-izy azy ny Voahary rehetra, ary mitsinjo ny hafa amin’ny toerana misy azy ao anatin’ny fifandrohizan’ny aina.
Miaraka amin’ireo Mpiantsa salamo,mihoby Anao izahay,satria, ao an-tranonao,« ny fody mahita fonenana,ary ny siditsidina mahita akany ».Tsaroanay fa miantso ny olombelona ianao mba hikolo ny zaridainanao amin’ny fanajana ny fahamendrehan’ny voahary ary hiaro ny toerany eo am-panovozana ny aina lehibe avy amin’ny tany.
Fantatray anefa fa ny fanirianay te hanjakazakaza dia manosika ny planeta hihoatra ny fetrany. Ny fanjifanay dia sady tsy mirindra
no tsy mifanaraka amin’ny fahafahan’ny Tany hiaro-tena.Maro ireo akany fonenana no fongana na manjavona mihitsy.Ringana ny karazan-java-boahary ary potika ny rafitra mifehy ny tontolo iainana. Any amin’ireo toerana nisy haran-dranomasina sy zohy taloha,
ny tampon’ny tendrom-bohitra sy ny ranomasina lalina, izay nifamezivezen’ny aina sy ny fifandraisana, indrisy ankehitriny toa zary lasa efitra mando sy maina ary foana toy ny tsy nohariana. Fianakavian’olombelona maro no nafindra noho ny tsy fandriampahalemana sy ny fifandonana, nifindra monina nitady fiadanana. Ny Biby mandositra afo sy ny famotehana ny ala, ary ny mosary, ka mirenireny mitady trano vaovao honenana sy hiainana.
Amin’izao fotoana hahatsiarovana manokana ny fahariana izao, dia mivavaka izahay mba hanetsika ny fonay ny tsiokan’ny Teninao mpahary,toy ny rano tamin’ny nahaterahanay sy nandraisanay ny Batemy. Omeo anay ny finoana hanarahana an’i Kristy mandra-pahazonay ny toerana marina eo amin’ny fiaraha-monina maminay. Tsilovy amin’ny fahasoavana izahay hamaly ny fampanantenanao sy ny antsonao hikolo ny tranobe iombonanay. Rehefa miasa sy miaro ny Tany izahay, Dia hetsaho ny fonay hahafantatra fa mandray anjara miaraka amin’ny Fanahinao Masina izahay amin’ny fanavaozam-boho ity tany ity, izay Anao ary ho fiarovana ny tranobe ho an’ny rehetra.

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ilay tonga nitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny Voahary rehetra.
Amen

Dikateny Ofisialy
Secrétariat de coordination
Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...