
Ny Ekipan'ny Radio Don Bosco dia mirary ho anao
feno hafaliana sy fiadanana ary fahasambarana
Aretina mpahazo olona maro maneran-tany ny fahenoana feo ao anaty sofina izay tsy fandre, ny 10% ny olona any Japon sy Amerika no tratrany, 70% ny ao Frantsa, ary 15% ny eto Afrika. Ny antony mahatonga azy dia mety ho tai-tsofina, tafiditry ny zavatra, misy tsimok'aretina, maniry loatra ny taolan-tsofina, voadona mafy, avy amin'ny toerana be tabataba, fahanterana, vokatry ny tsy fahazakana fanafody. Misy karazany roa ny fitrangany : Ny marary ihany no maheno, ary ny iray ny mpitsabo ihany koa mahare ilay feo...
Mikaikaiky noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana na ny fahataran'izany ny tantsaha amin'ny faritra maro tamin'ity taom-pambolena ity. Tsy ampy ho an'ny fanombohana ny famokarana ny rotsakorana amin'ny fiandohan'ny taom-pahavaratra tamin'ity taom-pambolena 2020 sy 2021 ity...
Sehatra voalohany ifankaherezana sy ifanohanana ny fianankaviana. Ny fankaherezana ny zanaka dia manampy azy hanorina ny maha-izy azy, hivelatra ara-tsaina sy ara-piaraha-monina ka antoka ho an'ny hoaviny. Ny fifankaherezan'ny mpivady dia mampiroborobo ny fifankatiavana sy manampy azy ireo hanatsara hatrany ny fifandraisany, ary mampivelatra ny maha-olona ny tsirairay...
Teraka tao Cerny-en-Laonnois, tao anatin'ny fiaraha-monina gallo-romaine, tokony ho tamin'ny taona 437 i Remi. Emile, Comte tao Laon no rainy ary i Masimbavy Céline no reniny. Tia vavaka sy matahotra an'Andriamanitra tokoa ity fianakaviana ity.
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.
Tohiny...Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.
Tohiny...Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.
Tohiny...© 2021 Radio Don Bosco