Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 11, 1-18)

Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.

Tamin’izany andro izany,
dia ren’ny Apôstôly sy ny rahalahy tany Jodea
fa hoe nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny Jentily.
Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Piera,
dia nomen’ireo mpino voafora tsiny, nataony hoe:

“Nahoana ianao no niantrano tany amin’ny olona tsy voafora,
sady niara-nihinana taminy?”

Dia nitantara ny zava-niseho hatramin’ny niandohany i Piera ka nanao hoe:

“Raha nivavaka tany an-tanàna Jôpe aho,
dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe
nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra,
tonga tao amiko.
Nony nijery azy aho ka nandinika,
dia hitako tao ny biby manana tongotra efatra,
ny biby dia, ny biby mandady, ary ny voromanidina.
Ary nisy feo reko koa nanao hoe:

Mitsangàna, ry Piera, mamonoa ka mihinàna.

Fa hoy izaho:

Sanatria, Tompoko,
tsy mba nisy zavatra fady sy maloto mba niditra tao am-bavako.

Fa niteny indray ilay feo tany an-danitra nanao hoe:

Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.

Intelo no naverina natao izany,
dia nakarina tany an-danitra indray izany rehetra izany.
Niaraka tamin’izay,
dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao an-trano nitoerako,
nirahina avy tany Sezarea hankany amiko.
Ary hoy ny Fanahy Masina tamiko:

Aza misalasala hiaraka amin’izy ireo.

Dia niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto,
ka niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay.
Notantarain-dralehilahy taminay
ny nahitany ny Anjely nitsangana tao an-tranony,
ka nanao taminy hoe:

Maniraha ho any Jôpe,
ampanalao i Simôna izay atao hoe Piera,
fa izy no hilaza aminao ny teny izay hahavonjy anao
sy ny ankohonanao rehetra.
Ary raha vao niteny tamin’izy ireo aho,
dia nidina taminy toy ny nidinany tamintsika taloha koa ny Fanahy Masina.

Tamin’izay, dia tsaroako ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

I Joany nanao batemy tamin’ny rano,
fa ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina.

Koa raha fanomezana sahala no nomen’Andriamanitra azy sy antsika
izay nino an’i Jesoa Kristy Tompo,
iza moa aho no afa-mifanohitra amin’Andriamanitra?”

Nony nandre izany izy ireo,
dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana
hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 41, 2-3 ; 42, 3. 4.

Mangetaheta an’ilay Andriamanitra velona ny fanahiko.

Mova tsy serfa izay lian-doharano.
Ny foko efa liana ny Tompoko!
Mangetaheta ny Tompo ny foko,
dia Ilay Andriamanitra velona.
Mba rahoviana aho re no handroso,
hiseho anoloan’Andriamanitra?

Tsilovy aho hahita ny lalana,
tariho mba hahita azy marina.
Hitody any am-bohitrao masina,
ilay toerana ataonao fonenana.

Handroso aho, ry Tompo Andriamanitro,
higoka ny tena hasambarako.
Valiha no hanaraka ny hirako,
hidera ny Tompo Andriamanitro!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)

Izaho no varavarana fidiran’ny ondry.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry,
fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony,
ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Rahefa tafavoaka avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry,
satria mahalala ny feony:
ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany,
satria tsy fantany ny feony.”

Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany,
nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany.
Koa hoy indray i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry.
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako,
fa tsy nihaino azy ny ondry.
Izaho no varavarana.
Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy,
ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana,
fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana,
sady hananany azy be dia be.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa. 4, 8-12)

Tsy misy anarana hafa hahazoana famonjena.

Tamin’izany andro izany,
dia feno ny Fanahy Masina i Piera ka nilaza hoe:

“Ry mpitondra ny vahoaka sy loholon’i Israely,
raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy
sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio,
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra,
fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta,
Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana,
fa natsangan’Andriamanitra ho velona,
no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.
Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano,
kanjo tonga vato fehizoro kosa;
ary tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona
hahazoantsika famonjena”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 117, 1 sy 8-9. 21-23. 26 sy 28 ary 29

Ny vato niavonan’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro!

Derao ny Tompo fa tsara:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Aleo mialoka amin’ny Tompo
toy izay amin’ny olombelona;
aleo matoky ny Tompo
toy izay matoky ny mpifehy.

Misaotra Anao namaly ahy:
Tenanao no tonga namonjy!
Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no nanao izany:
zava-mahagaga imasonay!

Izahay eto an-tranon’ny Tompo
no mitso-drano anareo.
Ianao no Andriamanitro ka isaorako,
no Andriamanitro ka asandratro.
Derao ny Tompo fa tsara:
eny, mandrakizay ny fitiavany!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 3, 1-2)

Hahita an’Andriamanitra araka ny tena toetrany isika.

Ry hava-malala,
endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika,
amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra,
sady tena zanany tokoa isika!
Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika,
dia noho izy tsy mahalala Azy.
Ry malala,
zanak’Andriamanitra isika ankehitriny,
nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika;
fa amin’ny andro hampisehoana izany,
dia fantatsika fa hanahaka Azy isika,
satria hahita Azy araka ny tena toetrany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 11-18)

Ny mpiandry ondry tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Izaho no mpiandry ondry tsara.
Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
fa ny mpikarama kosa,
noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry,
vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry,
fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,
satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.
Izaho no mpiandry ondry tsara,
sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy,
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa,
ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity,
ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko;
dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Izao no itiavan’ny Ray Ahy:
satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.
Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy;
manam-pahefana hahafoy azy Aho,
ary manam-pahefana handray azy indray:
izany no didy azoko tamin’ny Raiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny vintana dia voalaza ao amin'ny tantaran'Andriana, tamin'ny alalan'ireo lehilahy miisa efatra nihaona tamin'Andriamanitra, izay nangataka ny hafantatra ny vintany avy sy mba handaminana ny fiaraha-monina. Voafaritra araka ny asa fanaon'izy ireo andavanandro ny vitany ka ny ny mpiady na mpiantafika, nisy ny mpitsabo sy mpihaza, nisy ny mpivarotra ary nisy ny mpamboly. Mifamatotra amin'ny voahary ireo vintana ireo dia : Afo, tany, rivotra ary ny rano. Mifamatotra amin'ny vanim-potoana faha-vazimba sy ny fanandroana ihany koa ny vintana na mbola tsy nahazo ny anarana mazava aza izany raha tsy taty aoriana tamin'ny alalan'ireo fanandroana arabo...

♦ Kandidà iray tamin'ireo 17 namoahan'ny HCC didy hatramin'ny omaly no nahazo fankatoavana firotsahan-ko fidiana. Manomboka mamoaka didy momba ireo fitoriana voarainy ny HCC... ♦ Misy fitantanam-bola tsy mazava eo anivon'ny SMGD hoy ny sendikan'ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo. Miantso fivoriana tsy ara-potoana ihaonan'ny PDS sy ireo mpanolontsain'ny tanàna izy ireo... ♦ Ôfisialy fa tsy afaka handray ny lalaon'ny Barea amin'ny volana jona ny kianja Mahamasina. Tsy maintsy ivelan'i Madagasikara no hanaovana ny lalao fifanintsanana Mondial 2026... ♦ Nivory tany Paris omaly ny fianakaviambe iraisam-pirenena, nikatsahana vahaolana entina hanampiana an'i Soudan...

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...