Nitondra fampivoarana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra ny nananganana ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao amin'ny FECAMA (Federation des Collège Agrioole de Madagascar). Miisa 5 ireo kolejy mivondrona ao aminy, miparitaka any amin'ny faritra dimy samy eo ambany fiahian'ny vovonam-pikambanana FIFATA avokoa...

Mampiofana ireo tanora sy ny tantsaha misehatra amin'ny famokarana tantanam-pianakaviana matianina. 1000 mahery ny tanora efa voaofana ka ny 70% amin'ireo efa voapetraka hisehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra avokoa.

Ny taona 2003 no nijoro voalohany ny kolejy ho an'ny eny ambanivohitra mivondrona ao amin'ny FECAMA. Ho feno 20 taona amin'ny taona ho avy noho izany ny nananganana ny "Collège Agricole" voalohany ao aminy, niorina tany Befandriana-Avaratra any amin'ny Faritra Sofia sy ao Bezezika, Faritra Menabe ; nitohy tany Ambondromisotra any amin'ny Faritra Amoron'i Mania, ny ao Ambalavao Matsiatra-Ambony ary ny ao Manganoro-Ambatondrazaka Faritra Alaotra.

Hanamarika izay faha-20 taona nijoroan'ny kolejy voalohany ao aminy izay ny FECAMA amin'ny taona ho avy ary homarihana koa ny fahatratrarana tanora 1000 voaofana hoy Andriamatoa Ando Razafindratsima, talen'ny FECAMA. Maro amin'ireo tanora niofana tao amin'ny kolejy no raisin'ny olona any amin'ny tanàna misy azy ho toa ny mpanampy azy, mahafehy ny fambolena sy ny fiompiana, ka miantso azy ireo rehefa misy ny olana momba izany, toa ny aretin'ny biby, ny manindrona akoho sns...

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...