01 desambra — Teraka tamin'ny 15 septambra 1858 tao Strasbourg i Charles Eugène de Foucauld de Pontbriand. Zaza faharoa tamin'ny nateraky ny ray aman-dreniny izy, saingy vao teraka iray volana ilay zokiny dia efa maty. Élisabeth Beaudet de Morlet sy Édouard de Foucauld de Pontbriand, izay mpisafo ala tao Pontbriand, no ray aman-dreniny.

0 : 00

Olona fanta-daza amin'ny fiandrianana, na ny rainy avy ao Périgord, na ny reniny avy any Lorraine. Ny 04 nôvamba 1858 izy no natao batemy tao amin'ny fiangonana Saint-Pierre-le-Jeune, ary nobeazin'i Élisabeth reniny tamin'ny finoana kristianina, tamin'ny fanajana ny fitiavam-bavaka. Nitoe-jaza i Élisabeth renin'i Charles ary nisy fahasarotana izany ka nitarika ny fahafatesany, ny 13 marsa 1864. Ny rainy ihany koa, volana vitsivitsy tao aorian'izay, dia nodimandry ny 09 aogositra noho ny aretina neurasthénie nahazo azy. Vao enin-taona monja i Charles tamin'izay. Ny raibeny sy ny renibeny no nitaiza azy sy ny zandriny vavy. Rehefa maty indray ireo dia ny nenitoany no nanabe azy ireo. Marihana fa tany Strasbourg i Charles no nianatra nandritra ny fanabeazana fototra sy ny ambaratonga voalohany, avy eo nanohy fianarana tany Nancy. Ny 28 aprily 1872, no nandray ny Kômonio voalohany sy ny sakramentan'ny Fankaherezana tamin'i Mgr Joseph-Alfred Foulon izy. Rehefa nitombo fahalalana izy dia nanalavitra ny finoana ka lasa tia tena. Rehefa nahazo ny mari-pahaizana Baccalauréat indray i Charles ny 12 aogositra 1874, dia nalefa nianatra tany Versailles, tao amin'ny Sainte Geneviève mba hanomana ny fanadinana hidirana amin'ny tafika any Saint-Cyr. Tsy nankasitrahany ny fitsipika nifehy tao amin'izany kilasimandry izany, ary nilaozany tanteraka mihitsy ny fivavahana. Nahazo ny mari-pahaizana Baccalauréat faharoa indray izy ny taona 1875. Voaroaka tao amin'ny sekoly izy noho ny hakamoana sy ny tsy fanarahana fitsipika, ary niverina tany Nancy. Herintaona tao aorina'io no niditra tao Saint-Cyr izy, ka rehefa feno taona izy, izany hoe teo amin'ny fahavalo ambin'ny folo taonany, dia nafindra taminy ny fananany, ka niaina tao anatin'ny filibana, ary azo lazaina mihitsy fa nivarilavo tamin'ny fitondran-tena i Charles. Teo amin'ny fahatelo amby roapolo taonany dia nanapa-kevitra ny hiala tao Saint-Cyr izy, ary nanao fikarohana momba ny toe-tany tany Maroc, ka nisora-tena ho jody izy tamin'izany. Nahazoany fankasitrana, medaly volamena, ny voakatr'ity fikarohana nataony ity, ary tamin'izany no namoahany ilay boky mitondra ny lohateny "Reconnaissance au Maroc" ny taona 1888.

Rehefa niverina tany France i Charles de Foucauld ary nihaona tamn'ireo pretra sy olona maro, dia nibebaka ka niverina tamin'ny finoana kristianina, ary nirotsaka ho relijiozy tao amin'ny fikambanana Trappiste, tamin'ny 16 janoary 1890. Tany France izy, avy eo tany Syrie. Naniry mafy hiaina ny fahantrana sy ny asa fivalozana izy ka nandao ny fikambanana Trappiste, ary nanirery ny taona 1091. Niaina tany Palestine izy, ary nanoratra vavaka sy fandinihan-tena maro, anisan'ny nahafantarana azy ialy hoe "Prière d'abandon". Marihana fa nohamasinina ho pretra tao Viviers i Charles de Foucauld, ny 09 jona 1901, ary niverina tany Sahara tany Béni-Abbés izy, any amin'ny efitr'i Algérie. Nanorina fikambanana vaovao tany izy, ka tamin'ny alalan'ny oha-piainana no fomba nitoriany teny. Nianatra ny kolontsain'ireo Touareg izy, ka naharitra roa ambin'ny folo taona no nanoratany rakibolana amin'ny fiteny Touareg sy Frantsay. Anisan'ireo boky fanta-daza amin'ny fikarohana momba ny kolontsaina Touareg ity asan'i Charles de Foucauld ity. Nandray ny Evanjely tamim-pahatsorana i Charles. Nitory ny Vaovao Mahafaly, tsy nanery ny hafa izy tamin'izany. Nijoro ho vavolombelon'i Jesoa tamin'ny fanajana ireo antokom-pinoana sy antokom-pivavahana hafa, ary nampianatra ny maha lohalaharana ny fitiavana iainana ao amin'ny ankohonam-piainana. Ny 01 desambra 1916, nisy namono teo amin'ny varavaran'ny trano nonenany i Charles de Foucauld. Vetivety dia noraisin'ny olona ho olomasina izy, ary maro ireo nanaja azy. Maro koa ireo fikambanana nandray ny asa sorany sy ny fiainany ho aim-panahy. Ny taona 1927 no nanomboka ny fanadihadiana ny hanandratana azy ho olontsambatra. Niato kely io tamin'ny ady tao Algérie fa nitohy avy eo, ka nahatonga ny papa Jean-Paul II ho mpanompon'Andriamanitra mendrika hajaina, ny 24 aprily 2001. Ny papa Benoît XVI no nanandratra azy ho olontsambatra ny 13 nôvambra 2005, ary nosoniavin'ny papa François tamin'ny 27 mey 2020 ny fankatoavana ireo fahagagana hirosoana amin'ny fanambarana azy ho olomasina, izay miandry ny famaritana ny fotoana hanatanterahana izany.

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...