03 desambra — Teraka tao Navarre ny 07 aprily 1506 i François Xavier. Francisco de Jasso y Azpilicueta no anarany. Nanana lapa ny rainy Juan de Jasso. Avy amin'ny fianakaviana tao Basse-Navarre izy. Ny reniny kosa, María de Azpilicueta, avy amin'ny fianakaviana tao Baztan.

0 : 00

Nandalina fianarana tany France i François Xavier, tao Sorbonne izy no nanao ny teôlôjia. Nampianatra ny filôzôfia tao Paris, ary nahomby tokoa tamin'izany. Tonga tao Paris i Ignace de Loyola mba hanita-pahalalana ary nitady namana manam-pahaizana mba hanorina ny Fikambanan'i Jesoa. Sendra an'i François Xavier i Ignace, ary naka azy ho namana. Ny 15 aogositra 1534, tanora fito mirahalahy izy ireo no niaraka nanonona ny voady tao amin'ny fiangonan'i Montmartre, ka teraka teo ny Fikambanan'i Jesoa. Taona vitsy tao aorian'io dia nohamasinina ho pretra tao Venise i François Xavier ny taona 1537. Vonona amin'ny iraka hampanaovina azy izy, ary tamin'ny nofy no nanomana azy fa ho apôstôly any amin'ny toerana feno fanompoan-tsampy maro izy. Ny taona 1540, rehefa nangataka tamin'ny papa Paul III ny mpanjaka Jean III tao Portugal, fa mila pretra ho any Goa sy Inde Atsinanana, dia izy no nalefan'i Ignace tany, ka akory ny hafaliany. Vao tonga tany Goa izy dia ranomasom-pifaliana no niarahabany ilay tany nampanantenaina. Natombony tamin'ny fampibebahana tao Goa ny asa fitoriana, tao mantsy ireo Portugais dia nanala baraka ny fivavahana kristianina mihitsy. Rehefa vita ny asa iray, dia nanomboka asa iray hafa indray izy, ary tsy mety afa-po, tsy nahalala sasatra mihitsy.

Maro ny olana nantrehan'i François Xavier tamin'ny toerana rehetra nalehany : anisan'izany ohatra ny tsy fahaizana ny fitenim-pirenena, ny tsy fananana boky ho an'ireo olona izay hitoriana ny Vaovao Mahafaly, ny fanenjehana, ny ady nanohitra ireo mpanompo sampy. Fa noreseny avokoa ireny, tamin'ny heriny sy ny famonjena avy amin'Andriamanitra. Andriamanitra no nanome azy ny fahasoavana hahay hiteny sy ny fiteny maro, ny fahafahana hanao fahagagana marobe, ary anisan'izany ny fananganan-ko velona. Nandritra ny roa ambin'ny folo taona nitoriany ny Vaovao Mahafaly dia roa amby dimampolo ireo fanjakana noteteziny, ary tsy voaisa ireo mpino nataony batemy. Nanamarika izany indrindra ny tany Japon tamin'ny taona 1549. Na dia nanana olana tamin'ireo moines bouddhistes aza i François Xavier, dia an'arivony ny olona nataony batemy, indrindra tao amin'ny faritr'i Yamaguchi. Naniry ny hampibebaka ny teny Chine ihany koa izy raha ho any Europe, satria nandalo tamin'ireo firenena tavaratra, tamin'izay izy no nantsoin'ny Ray hiala sasatra any amin'ny mandrakizay, ny 03 desamba 1552, tao amin'ny nosy Sancian. Ankehitriny dia mipetraka ao amin'ny bazilika Bon-Jésus ao Goa ny vatany. Ny tanany havanana kosa, hatramin'ny taona 1664 dia hita ao amin'ny Fiangonan'i Jesoa ao Roma, fiangonana misy ny foiben'ny Fikambanan'i Jesoa.

Marihana fa ny 22 marsa 1622 no nasandratra ho olomasina i François Xavier ka ny papa Grégoire XV no nanao izany. I Masindahy François Xavier no mpiaro ny misiona katôlika araka ny fanapahan-kevitry ny papa Pie XI tamin'ny taona 1927. Izy ihany koa no mpiaro an'i Mongolie. Ary nanomboka ny 14 jona 1952 no mpiaro ireo mpizaha tany.

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...