21 desambra — Teraka ny 8 mey 1521 tao Nimègue, Pays-Bas, i Pierre Canisius. Pierre Kanis no anarany fa antsoina koa izy hoe Canisius satria mitovy ihany ny Kanis sy ny Canisius. Jacob Kanis no rainy ary i Ægidia van Houweningen no reniny. Mpanan-karena tao an-tanana ireo ray aman-dreniny ireo. Fotoana fohy tao aorian'ny nahaterahan'i Pierre no nodimandry ny reniny.

0 : 00

Ny taona 1536 izy no nalefa nianatra momba ny zava-kanto sy ny lalana tany Cologne, Allemagne. Rehefa masaka tao an-tsainy fa hanao pretra izy, dia nandalina ny teôlôjia sy ny Soratra Masina, ary ireo sangan'asan'ireo Aban'ny Fiangonana. Ny taona 1539 dia nandalo tao amin'ny Université tao Louvain izy, ary herintaona tao aorian'izay no nahazoany ny laharana "Maître ès arts" tany Cologne. Ny taona 1543 dia nihaona tamin'i Pierre Favre izy, io dia mpiara-dia voalohany tamin'ny Masindahy Ignace de Loyola. Iraky ny papa i Pierre Favre, ary nijanona tao Mayence. Io no nampanao fampiasam-panahy an'i Pierre Canisius, nandritra ny telopolo andro. Nanapa-kevitra ny hiditra tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa, àry izy, ary noraisin'izy ireo ny 8 mey tao Saint-Christophe tao Mayence. Nampian'ireo chartreux tao an-tanana izy ka nanorina ny trano voalohan'ny Fikambanan'i Jesoa tao Cologne. Ny taona 1546 izy no nohamasinina ho pretra, ary tao aoriana kelin'izay dia nankany Italie. Herintaona tao aorian'io dia nandray anjara tamin'ny kônsily tao Trente i Pierre Canisius amin'ny maha teôlôjianin'ny kardinaly Othon Truchsess von Waldbourg azy, izay eveka tao Augsbourg. Tao aorina'izay dia nantsoin'i Ignace izy ho any Roma hamita ny vanim-potoana maha novisy azy, ary i Ignace mihitsy no nitantana azy am-panahy tamin'izany. Ny taona 1548 izy no nalefa tany Messina, niaraka tamin'ny zezoita folo teo ambany fitantanan'i Jérôme Nadal mba hanorina ny sekoly voalohany tany, ka tamin'izay dia ny teny latina sy ny rhétorique no nampinariny.

Araka ny fangatahan'i Guillaume IV de Bavière, dia nalefan'ny papa Paul III hampianatra tao amin'ny Université tao Ingolstadt i Pierre Canisius ny taona 1549. Ny 7 septambra tamin'io taona io no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny fikambanana tany Roma i Pierre Canisius, teo anatrehan'i Ignace de Loyola. Avy eo izy nahazo ny mari-pahaizana ka lasa "Docteur en théologie", tao Bologne. Ny taona 1550 izy no voafidy ho "recteur" tao amin'ny Université tao Ingolstadt, ary roa taona tao aorian'izay dia nirahan'i Ignace nankany Vienne, nitory teny tao amin'ny katedraly Saint-Etienne sy tao amin'ny lapan'i Ferdinand I. Nangataka azy ho arseveka tao Vienne, tamin'ny alalan'ny papa Jules III i Ferdinand, fa nolavin'i Pierre Canisius hatrany izany. Ny taona 1555 hatramin'ny 1556, maro ireo sekolin'ny fikambanana, nampianaran'i Pierre Canisius sy ny trano naoriny. Ohatra amin'izany ny tao Ingolstadt, Prague, Augsbourg, Fribourg tao Suisse. Ny taona 1556 hatramin'ny 1557, dia lasa mpanolo-tsaina ny mpanjaka romana izy. Noho ny fanendren'ireo mpanjaka katôlika sy ny baikon'ny papa dia nandray anjara tamin'ny adihevitra momba ny fivavahana tao Worms i Pierre Canisius. Niaro ny finoana katôlika izy, ary nisara-bazana mihitsy sy nihataka ireo protestanta tamin'izany. Notendren'i Ignace ho lehibe voalohan'ny faritany Haute-Allemagne izy ny taona 1556, voafaritra ao anatin'izany i Souabe, Bavière, Bohème, Hongrie, Haute sy Basse-Autriche. Izy no nanoratra ilay katesizy lehibe, Grand catéchisme, tamin'ny 1554. Ary avy eo, izy ihany no nanao ny fanafohezana ka nantsoina hoe Petit catéchisme, na ny Katesizy kely. Izy ihany koa no nandika ny sangan'asan'ireo Aban'ny Fiangonana, adino sy navalon'ny fotoana. Niasa mafy tamin'ny fanavaozana ny Fiangonana Katôlika i Pierre Canisius. Nodimandry tao Suisse, Fribourg, ny 21 desambra 1597 izy ary nasandratry ny papa Pie IX ho olontsambatra ny tao 1869. Ny papa Pie XI no nanambara fa Mpampianatry ny Fiangonana sady olomasina i Pierre Canisius ny taona 1925.

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...