Alarobia 23 desambra 2020 — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay ; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66

0 : 00

Ny fahaterahana matetika mitondra hafaliana eo amin’ny mpiara-monina ka tonga mifampitsidika sy mifampirary soa ny mpianakavy, ny mpiara-monina, ny tapaka sy ny namana, ny havana aman-tsakaiza. Tsy avela ho an’ny tokantrano misy an’izany ihany ny hafaliana fa tonga ihany koa ny manodidina hiara-paly sy hikorana. Hitantsika izany eto amin’ity nahaterahan’i Joany Batista ity. Aza hadinoina fa efa antitra i Elizabeta tamin’izy niteraka ka nomarihina ato amin’ity Evanjely ity ny hoe: “efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy.” Akaiky ny Noely, miara-mifaly sy mikorana ny rehetra, ka enga anie ho hafaliana amam-piravoravoana no entin’izany fa tsy sanatria ny mifanohitra amin’izany. Ny fahaterahana mantsy miteraka hafaliana na eo amin’ny olona fotsiny ihany aza, mainka moa fa ny fahaterahan’Ilay Zanak’Andriamanitra, ataoko fa manoatra lavitra noho izany. Misy ihany anefa ireo tsy afa-manoatra, noho ny antony maro, entina ambavaka manokana izy ireny fa mbola ho avy ny Noely firavoravoana ho azy ireny any aoriana !

Fanampin’izany, nanatanteraka izay voalazan’ny lalàna i Zakaria sy i Elizabeta ary ireo havany mbamin’ireo mpiara-monina taminy, ka nony feno havaloana ny zaza dia noforàna sy nomena anarana. Ilaina ny manara-dalàna amin’izay atao fa tsy manao ny lohany any fotsiny toy ny ganagana misasa. Fa natao hanampy antsika hampirindra ny fiaraha-monina ireny matoa natao. Aoka tsy isika no hitsipaka ny lalàna eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Izay manara-tsisiny ihany no mahatsiaro fa voagejan’ny lalàna fa izay mandeha am-pahamarinana eo afovoany toa tsy mahatsinjo ny fisian’ireny lalàna ireny akory. Tsy natao ifamandrihana na ifamotehana velively anefa ny lalàna. Koa mahaiza mampiasa azy ireny araka ny tokony ho izy.

Farany, nanaraka ny fepetra nomena azy i Zakaria ka nitana fa tsy maintsy i Joany no anaran’ny zanany hany ka nivaha ny fatoran’ny lelany. Ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra dia mampahazo fahasoavana antsika satria tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra ka isika koa tsara miezaka hanahaka Azy. Kanefa isika izao efa impiry nivadika tamin’Andriamanitra, matetika aza toa afo mololo ny tenintsika aminy ka mora levona, toy izany koa amin’ny namana, toy ny mpanao politika sasany : mora mivadika palitao na loko matetika ! Ho Noely izao ny andro koa ankino amin’ny Tompo mandrakariva ny fiainantsika fa Izy hanohana antsika tsy hivadibadika. Amen.

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...