16 aogositra — Mpanjaka voalohany tao Hongrie i Masindahy Étienne, avy amin’ny dinastie Árpád izy, Vajk no tena anarany, zanak’i Géza. Nibebaka niaraka tamin’ny rainy izy teo amin’ny faha-10 taona, izany hoe ny taona 985, ary nandray ny anarana hoe Étienne, na István amin’ny fiteny hongrois, tamin’ny batemy.

Adalbert de Prague sy ny mpianany no nanabe azy, izay nanorina sy nampandroso ny Fiangonana tao Hongrie. Nanambady ny zanakavavin’ny duc Henri II tao Bavière, ary nantsoina ihany koa hoe olomasina i Gisèle tamin’ny faraparan’ny taona 995. Rehefa maty ny rain’i Étienne dia izy no nandimby azy amin’ny maha Grand-Prince azy tamin’ny 997. Ny andron’ny Noely ny taona 1000 no natokana ho mpanjakan’i Hongrie i Étienne, ka satroboninahitra nalefan’ny papa Silvetre II no nomena azy, izay midika ihany koa ny maha mpanjaka apôstôlika azy. Io dia nisy ny fankatoavan’ny amperora germanique Otton II. Niaro ny fahaleovantenan’i Hongrie tamin’ny fanoheran’ireo Bulgare sy ny amperora germanika Conrad II i Étienne.

I Étienne no nampiditra ny finoana kristianina tao Hongrie. Nandray ireo misionera izy ary nanorina ny archevêché tao, izay tsy taiza izany fa ny tao Kalocsa sy ny tao Esztergom. Nisy ihany koa ireo évêché maro nahoriny tao amin’ny fanjakany. Nanova ny fomba fitantanana ara-piaraha-monina tao ihany koa izy. Sarotra sy niadana ny fampidirana ny finoana kristianina satria tsy maintsy nalàna tamin’ny fomba fivavahana taloha ilay antsoina hoe Chamanisme ireo Hongrois, ary nasaina nanaiky atao batemy. Nisy ihany koa didy navoakan’ny mpanjaka hanorenana ny fiangonana sy ny fiadidiana ny pretra ary ny fandehanana mamonjy ny Sorona Masina. Ny taona 1003 hatramin’ny 1006, nomory an’i Transilvanie tao amin’ny fanjakany i Étienne. Nodimandry ny 19 aogositra 1038 izy. Efa fanta-daza sy neken’ny olona ny maha-olomasina azy ka ny 02 septambra izany no najaina. Ny taona 1764, ho fanajana sy ho fanomezam-boninahitra azy dia nanorina ny “Ordre de saint Étienne” ny impératrice Marie Therese I de Hongrie.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...