30 aogositra — Zanaky ny mpanjaka tao Irlande i Fiacre, niaina tamin’ny toanjato fahenina sy fahafito izy, nobeazina tamin’ny fahalalana sy fitiavam-bavaka. Mbola tanora izy dia efa niredareda tao aminy ny fitiavana te hanirery sy ny faniriana hiaina ho an’Andriamanitra irery ihany.

Niondrana tany France izy, ary nifidy toerana tao akaiky i Meaux, toerana mitokana anaty ala. Ka ny eveka no nanolotra tany ho azy. Nanorenan’i Fiacre trano fitokana-monina tao, natokany ho an’i Masina Maria izay efa najainy sy notiaviny manokana hatramin’ny fahazazany. Tany i Fiacre no nanao famolahan-tena mafy sy nitandrina mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Betsaka ny nahita ny fahamasinany, ka maro ireo olona tonga ao aminy na ny mahantra na ny mpivahiny masina miaraka aminy amin’izany toe-panahiny izany.

Zara raha mihinan-kanina i Fiacre, ampiasainy ny tanany mba hamelomana sy hikarakarana akaiky ireo vahiny tonga hivavaka. Maro ireo olona mitondra eo aminy olona azon’ny demony sy marary ka nanafaka sy nanasitrana ny maro tamin’ireny izy. Noho ny hamaroan’ireo olona ireo dia tsy ampy handraisana ireo mpivahiny masina ireo intsony ilay tany nomen’ny eveka azy ka voatery niangavy tamin’ny eveka indray mba hampiana ny tany. Nomeny alalany izy ary nambaran’ilay eveka fa hovitany ao anatin’iray andro ny fanaovana ny ady vory manodidina io tanana io. Dia mahagaga tokoa ny asan’Andriamanitra fa izay nosoritan’i Fiacre tamin’ny angady dia voahady avy hatrany. Ka ny androntr’iny dia voasoritra sy vita ny famaritana ny tanana. Heverina tsy am-pisalasalana fa noho ny asa an-jaridaina nataony no nahatonga azy ho mpiaro ny mpano jaridaina. Fa ho azy ny asa an-jaridaina dia sady asa fampivelomana no asa fialam-boly ankoatra ny maha vavaka sy fanoampoana an’Andriamanitra.

Tena nankafizin’i Fiacre tokoa ny fiainan’ny mpanirery, indray andro anefa tonga ny iraka avy any Irlande mba hanolotra azy ny satro-boninahi-panjakana satria tsy mendrika izany ny rahalahany ary araka ny nambara dia hoe zanaky ny mpanjaka izy. Efa hitan’i Fiacre mialoha tamin’ny fisehoana ireo zavatra hitranga ireo, ka nitalao an-dranomaso tamin’Andriamanitra izy mba tsy hanala azy amin’io toerana efa nanompoany an’Andriamanitra io, ka hiaro azy amin’ny loza entin’ny voninahitr’izao tontolo izao. Noho izany dia tonga ho toy ny boka ny hendrik’i Fiacre, ka rehefa tonga teo aminy ireo masiovoho avy any amin’ny fanjakan’ny rainy dia niorin-koditra nahita ny tavan’i Fiacre, ka tsy sahy akory ampiakatra azy ho eo amin’ny fanjakan’ny rainy. Ny taona 1670 i Fiacre no nodimandry tao amin’io toerana nitokany monina io. Maro ny fahagagan’Andriamanitra nasehony tao aorian’ny fahafatesany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...