03 septambra — Tokony ho tamin’ny taona 540 no teraka tao Roma i Grégoire, andriana ny fianakaviany, zafiafin’ny papa Felix III izy. I Gordien sy Sylvie no ray aman-dreniny ary mpitoka-monina ny anabavin-drainy, toa an-dry Tharsule sy ry Emilienne izany.

Nandalina momba ny lalana i Grégoire, ka ny taona 572 no tonga governora tao Roma. Rehefa maty ny rainy ny taona 573 dia namidiny ny fananany ary nanorina trano fitokana-monina enina tao Sicile izy, ary fito tao Roma. Izany rehetra izany dia tany nolovainy tamin’ny rainy avokoa no nanorenany azy. Nolaniany tamin’ny fanampiana ireo sahirana sy ny fadiranovana ny androny tamin’izany. Tao amin’ny trano fitokana-monina iray nomeny anarana hoe Saint-André teo amin’ny tendrombohitr’i Cælius no nitoetra i Grégoire ary nanaraka ny fitsipika napetrak’i Masindahy Benoît. Tsy afaka nijanona ela tao anefa izy satria ny taona 579 dia nohamasinana ho diakra izy ary nalefan’n papa Pélage II hisolo tena azy tany Constantinople. Rehefa niverina izy ny 586 dia voatendry ho lehiben’ny mpitoka-monina tao amin’ny trano Saint-André. Vetivety tao aorian’izay, ny janoary 590 nodimandry ny papa Gélage II, dia nohobian’ny vahoaka sy ny mpitondra fivavahana izy handimby an’io papa io. Nanohitra izany i Grégoire nefa ny amperora Maurice no nanamafy io safidin’ny vahoaka io. Nandositra izy fa tsy nahomby ka nohamasinina ho eveka ny 03 septambra 590.

Na dia teo aza ny fahasalamana marofy dia noraisiny an-tanan-droa am-pahamendrehana ny fanantanterahana ny adidiny amin’ny fitantanana ny Fiangonana, asa fitiava-namana ary fitoriana ny Vaovao Mahafaly, anisan’izany ny fanirahany an’i Augustin tao Canterbury ho any Angletera. Mpahay lalana i Grégoire, mpanoratra momba ny fomba-pivavahana sy hira masina ihany koa ary izy ihany koa no nanoratra ilay boky antsoina hoe Sacrementaire izay ahitana ny fototry ny bokin-damesa romanina na missel romain. Nodimanry ny 12 martsa 604 i Grégoire ary nalevina tamin’io andro io ihany. Vao maty izy dia efa nohajain’ny olona toy ny olomasina.

I Grégoire I sy Leon I ihany no papa nomen’ny fiangonana anarana hoe lehibe antsoina amin’ny teny frantsay hoe Grégoire le Grand. Iray amin’ireo mampianatry ny Fiangonana latinina efatra lehibe izy toa an-dry Ambroise, Jérôme, ary i Augustin. Maro ny taratasy nosoratany no voatahiry, mahatratra eo amin’ny 848 eo ho eo. Asa soratra malaza indrindra navelany ny fitondran-tena araka ny an’i Joba na “Moralia in Job” boky miisa 35. Nanoratra boky momba ny fitsipi-pitondran-tena ara-piangonana ihany koa izy antsoina hoe “Regulæ pastoralis liber”, ka tamin’izany no nanazavany ny fomba tokony hitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fomba hanatanterahana azy amin’ny fiainana. Ambara fa olomasina mpiaro ny mpilalao zava-maneno sy ny mpampianatra ary ny papa i Masindahy Grégoire Lehibe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...