06 septambra — Teraka tao Garrigues akaik’i Uzès i Bertrand, iray amin’ireo mpiara-dia tamin’i Masindahy Dominique izy. Nanintona azy ny fahamasinana sy ny fanirian’i Masindahy Dominique ny hampibebaka an’i Cathares amin’ny alalan’ny vavaka sy ny oha-piainana amin’ny fahantrana.

Tamin’ny taona 1216 notendrin’i Dominique ho lehiben’ny trano tao Toulouse i Bertrand. Avy eo nirahany tany Paris mba hanorina tranon-drelijiozy ao anatin’ny université. Ny 1217 izy no nanangana ny trano, nampitondrainy ny anarana hoe Saint-Jacques ary rehefa niverina tany amin’ny toerana nahaterahany izy dia nanorina trano maro tany Montpellier, tany Avignon. Lasa lehiben’ny faritany Provence Alpes Pyrénées izy ny taona 1221.

Rehefa maty i Masindahy Dominique dia nanampy ireo masera tao amin’ny trano monastera tao Prouille izy, trano fandraisana ireo vehivavy Cathares nibebaka. Nodimandry ny 18 avril 1230 moa i Bertrand raha izy izay nanao fiatahana masina izay nitoriany tamin’ireo relijiozy siterisianina tao Drôme tao Bouchet akaikin’i Orange toerana niatahany. Nandritra ny taonjato maro dia nataon’ny olona fanaovana fivahinianana masina ny ao amin’ny fasan’i Bertrand. Ny sariny dia hajain’ny olona izay efa nanao azy ho olomasina.

Ny taona 1870 ny eveka tao Valence i monseigneur Francis Guelette no nanome alalana ny fanajana n’i Bertrand. Nanomboka teo ny fanadratana azy ho olomasina dia efa natolotry ny eveka tao Paris, Toulouse, Marseille, Valence, Nîmes sy ny fikambanana dominikanina ny fangatahana azy ho olotsambatra. Farany ny papa Leon XIII nanome ny fankatoavana ny 1881 ary nonome alalana amin’ny fombam-pivavahana fanajana an’i Bertrand ao amin’ny diosezin’i Nîmes sy Valence ka ny daty ny 06 septambra no fanajana azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...