08 ôktôbra — Teraka tao Antioche tamin'ny taona 430, ary nantsoina hoe Marguerite i Pélagie. Niasa tamin'ny tarika mpilalao andapihazo izy. Nodimandry tao Jerosalema izy ny taona 457. Ny toriteny nataon'i Nonnus, eveka tao Edesse tamin'ny taona 453 no nampiova sy nampibebaka azy, ka nahatonga azy nihataka tany an-tendombohitr'i Oliva, nanao asa fibebahana mandram-pahafatiny.

Tovovavy tsara tarehy nikohizana tokoa i Marguerite, ary nirehareha sy nandoto tena tamin'ny filibana izy. Raha mandalo amin'ny tanana iray izy, dia mirenty dia mirenty ny firavaka eny aminy : volamena, volafotsy, vatosoa sarobidy, sy lamba landy. Amin'ny toerana rehetra alehany dia manentoento ny fofona manitra any aminy ; dia miara-miriaria amin'ireo tovolahy sy tovovavy mitovy firavaka aminy izy. Tovovavy maniditsidina izay izy. Indray andro, mba niditra tao amin'ny fiangonana iray izy, haneso ireo mpivavaka, tamin'izay no nahenoany ny fampianatran'i Nonnus, momba ilay mpanota vavy tao Babylone. Nahatsiaro tena ho voatohina noho izany izy ka nitebiteby fatratra. Tampoka, nangataka ny hatao batemy izy. Io tenin'Andriamanitra io no nandraisany ny antso ka nahatonga azy nandeha nanirery tany an'efitr'i Sinaï. Mba ahafahany manatontosa ny iraka dia niova anarana hoe Pélagie izy. Nandray ireo vahiny, ary nilazalaza tamin'izy ireo ny momba an'Andriamanitra, mba hampibebaka. Tamin'izany fotoana izany no nahazoany fibebahan'ny maro tamin'ireo tanora Bédouins sy mpandeha ihany koa. Nanantena ny ho voavonjy tamin'ireo fiainany lasa mantsy i Pélagie, ary izay no nandraisany ny akanjon'ny mpanirery sy nipetrahany tamin'ny trano kely iray, nanompo an'Andriamanitra sy nifady hanina mafy dia mafy. Tena nahazendana tokoa ny famolahan-tena nataony ka noheverin'ny olona ho lehilahy izy tamin'inzany ka nahatonga ny olona hiantso azy hoe frère Pélage.

Indray andro, 08 ôktôbra, nisy diakra nandom-baravarana tao aminy, tsy nisy namaly io ka lasa nitsidika teo am-baravarakely. Akory ny hatairany fa i Pélage no hitany efa maty. Lasa ity diakra nampilaza an'i Nonnus, eveka izay mbola tany an-tany efitra. Niaraka tamin'ny mpitoka-monina hafa io, hanao ny adidy farany amin'ity olomasina ity. Nandritra ny herinandro ny dia, rehefa navoaka avy tao an-trano ny razana dia mbola tsy nisy simba akory. Fa akory ny hagagan'izy ireo fa hay vehivavy ity nantsoina ho frère Pélage hatramin'izay ity. Tao aorian'ny fisaorana an'Andriamanitra dia nalevin'izy ireo tamim-panajana i Masimbavy Pélagie.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...