25 nôvambra — Teraka manodidina ny taona 290, tao amin'ny fianakaviana andriana tao Alexandrie (Egypte), i Catherine, ary tao ihany no nodimandry, ny taona 307. Vehivavhy naraini-tsaina tokoa izy, ka ny fahalalana norantoviny sy nananany dia nahafahany nilahatra tamin'ireo pôeta sy filôzôfa nalaza tamin'ny fotoan'androny.

Indray alina, nahita an'i Kristy tamin'ny nofy izy, ary nanapa-kevitra fa hanokan-tena ho Azy, ary nihevitra fa fofombadiny mihitsy. Indray andro, nitarika lanonana ho an'ireo mpanompo sampy tao Alexandrie i Maximin, amperora tao Rome. Noheverin'i Catherine fa fotoana mety hampibebahana ny amperora io, nefa vao mainka nahatezitra azy izany. Mba hahitany izay tena fahalalan'i Catherine, dia nasainy niady hevitra tamin'ny manam-pahaizana efa ho dimampolo isa teo i Catherine. Akory anefa, fa vitany avokoa ny nampibebaka ireo rehetra niady hevitra taminy ireo, ho krsitianina. Nasain'i Maximin novonoina avokoa ireo, ary nokasiny halaina vady i Catherine, nefa dia nandà sy nankahala azy mafy mihitsy. Nanome baiko ny amperora, hampijaliana an'i Catherine, ka amin'ny alalan'ny kodiarana misy kinifinifiny no hanaovana izany. Ny nahagaga anefa dia potika ilay kodiara, ary ny kinifinifiny nipitika tany amin'ny mason'ilay mampijaly azy, ka lasa jamba io. Very hevitra i Maximien ka nasainy notapahana ny lohan'i Catherine.

Taonjato vitsy tao aorian'izay, nisy mpitoka-monina nanorina trano, teo am-pototry ny tendrombohitra Sinaï, ary nahita tamin'ilay tendrombohitra tery am-pita, vatana mangatsiaka napetraky ny anjely. Vehivavy izy io, ary mbola tsy nisy fahasimbana ny vatany. Nambaran'ireo mpitoka-monina fa i Catherine d'Alexandrie io. Tao aorian'ny ady ho an'ny Tany Masina no nihanaka sy niely manerana ny firenena tandrefana, ny fanajana an'i Masimbavy Catherine d'Alexandrie, ka maro ireo mpanakanto no naneho azy tamin'ny sary, izay nisy ilay fehiloha famantarana ny olomasina, fa miloko telo io : ny fotsy, mariky ny fahadiovana ; ny maitso, mariky ny fahalalana ; ary ny mena, mariky ny maha martiry. Hita eo akaikiny ihany koa ilay kodiarana misy kinifinifiny nampijaliana azy. Ankoatra ireo ny fanamiana maha andriana azy sy ny ravin'ny palme maha martiry, ny boky sy ny sabatra ihany koa dia samy ahafantarana ny sarin'i Masimbavy Catherine d'Alexandrie. Marihana fa izy no olomasina mpiaro ny mpandaha-teny, ny filôzôfa, ny notaire, ny mpanjaitra sy ireo mpikarakara zaza sy mpiambina zaza. Maro koa ireo fikambanana sy vondron'olona ary tanana nifidy azy ho olomasina mpiaro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...